Salamo faha 69

Ho an'ilay mpiventy hira; natao Ai-shoshanim. Salamo nataon'i Davida. 1 Vonjeo aho, ry Andriamanitra; fa nataon'ny rano tandindomin-doza ny fiainako. 2 Nilatsaka tao anaty fotaka lalina, izay tsy misy toerana hitsanganana aho; tonga anaty rano lalina, izay hikorianan'ny onja amiko aho. 3 Reraky ny tarainako aho; maina ny tendako; tsy maharitra teo am-piandrasana ny Andriamanitro ireo masoko. 4 Betsaka kokoa noho ireo volo eo an-dohako ireo izay mankahala ahy amin'ny tsy misy antony; ireo izay manapaka ahy, manao ho fahavaloko amin'ny antony diso, dia mahery; izay tsy nangalariko, dia tsy maintsy averiko. 5 Ry Andriamanitra, Ianao mahalala ny hadalako, ary ny fahotako dia tsy miafina Aminao. 6 Aoka ireo izay miandry Anao tsy ho afa-baraka noho ny amiko, ry Yaveh Tompo ilay tompon'ny maro; aoka ireo izay mitady Anao tsy ho tonga amin'ny fahafaham-baraka noho ny amiko, ry Andriamanitr'Israely. 7 Mitondra latsa noho ny Aminao aho; ary manarona ny tavako ny fahafaham-baraka. 8 Lasa vahiny amin'ireo rahalahiko aho, vahiny amin'ny zanaky ny reniko. 9 Fa ny zotom-poko ny amin'ny tranonao efa nihinana ahy, ary ny latsan'ireo izay nandatsa anao dia efa nihatra tamiko. 10 Rehefa nitomany aho ary tsy nisakafo, dia naniratsira ahy izy ireo. 11 Rehefa nataoko lamba fisaonana ny fitafiako, dia lasa ambentin-teny tamin'izy ireo aho. 12 Miresaka momba ahy ireo izay mipetraka eo amin'ny vavahadin'ny tanàna; hiran'ireo mamo lava aho. 13 Fa raha ny amiko, dia Aminao amin'ny fotoana izay hanekenao ny fivavako; ry Yaveh, valio amin'ny fahamendreham-pitokisan'ny famonjenao aho. 14 Sintony hivoaka avy ao amin'ny fotaka aho, ary aza avela hilatsaka; aoka ho nalàna avy tamin'ireo izay mankahala ahy aho ary voaavotra avy ao amin'ny rano lalina. 15 Aza avela hanafotra ahy ny onjan'ny rano, na hitelina ahy ny lalina. Aza avela hanakatona ny vavany amiko ny lavaka. 16 Valio aho, ry Yaveh, fa tsara ny fanekenao mahatoky; satria maro ireo famindram-ponao amiko, mitodiha amiko. 17 Aza afenina ny mpanomponao ny tavanao, fa ao anaty fahoriana aho; valio faingana aho. 18 Tongava eto amiko ary vonjeo aho. Avoty aho, noho ireo fahavaloko. 19 Fantatrao ny latsako, ny fahamenarako, ary ny fahafaham-barakako; manoloana anao ny fahavaloko rehetra. 20 Nandratra ny foko ny latsa; feno fahavesarana aho; mitady olona hiantra ahy aho, kanefa tsy misy na iza na iza; nitady mpampahery aho, kanefa tsy nahita an'iza na iza. 21 Nomen'izy ireo poizina aho ho sakafoko; vinaingitra no nomen'izy ireo hosotroiko tamin'ny hetahetako. 22 Aoka ho lasa fandrika ny latabatra eo alohan'izy ireo; rehefa mihevitra izy ireo fa mitoetra tsy manana ahiahy, dia aoka ho lasa fandrika izany. 23 Aoka ho maizina ny mason'izy ireo, ka tsy hahita izy ireo; ary aoka ny lamosin'izy ireo hihozongozona. 24 Avohay amin'izy ireo ny fahatezeranao, ary aoka ny firehetan'ny hatezeranao hahatratra azy ireo. 25 Aoka ho fandravana ny toeran'izy ireo; aoka tsy hisy na iza na iza hipetraka ao amin'ny lain'izy ireo. 26 Fa manenjika ilay iray izay mamely izy ireo. Mamerimberina ny fahararian'ireo izay noratranao izy ireo. 27 Miampangà azy ireo amin'ny fanaovan'izy ireo heloka miampy heloka; aza avela hiditra ao amin'ny fandresenao marina izy ireo. 28 Aoka izy ireo ho voafafa ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ary tsy ho voasoratra miaraka amin'ireo marina. 29 Fa mahantra aho ary malahelo; aoka ny famonjenao, ry Andriamanitra, hametraka ahy amin'ny avo. 30 Hidera ny anaran'Andriamanitra amin'ny hira aho ary hanandratra Azy amin'ny fisaorana. 31 Mahafaly an'i Yaveh bebe kokoa noho ny omby izay mana-tandroka sy kitro izany. 32 Efa nahita izany ny malemy fanahy ary faly; ianareo izay mitady an'Andriamanitra, aoka ho velona ny fonareo. 33 Satria mandre ireo mahantra i Yaveh ary tsy manao tsinontsinona ireo gadrany. 34 Aoka ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao anatin'izany hidera Azy. 35 Fa Andriamanitra dia hanavotra an'i Ziona ary hanorina indray ireo tanànan'i Joda; ny olona dia hipetraka any ary hanana izany ho fananana. 36 Ny taranak'ireo mpanompony dia handova izany; ary ireo izay tia ny anarany dia hitoetra any.