Ho an'ilay mpiventy hira; Salamo nataon'i Davida, hira iray. 1 Aoka Andriamanitra hisandratra; aoka ireo fahavalony hiparitaka; aoka ihany koa ireo izay mankahala Azy handositra manoloana Azy. 2 Tahaka ny setroka miely, no hampielezana azy ireo; tahaka ny savoka miempo ao anaty afo, no aoka hahalevona ireo ratsy fanahy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. 3 Fa aoka hifaly ny marina; aoka izy ireo hifaly eo anatrehan'Andriamanitra; ho faly sy ravo anie izy ireo. 4 Mihirà ho an'Andriamanitra! Mihirà fiderana ho an'ny anarany! Derao ilay iray izay mandeha mamakivaky ireo tany lemaky ny Lohasahan-dRiakan'i Jordana! dia i Yaveh no anarany! Mifalia manoloana Azy! 5 Rain'ny kamboty, mpitsara ireo mpanano tena, ilay Andriamanitra any amin'ny toerana masina izay honenany. 6 Mametraka ireo irery any amin'ny fianakaviana Andriamanitra; entiny mivoaka amin'ny fihirana ireo gadra; fa ireo mpikomy dia mipetraka any amin'ny tany karankaina. 7 Ry Andriamanitra, rehefa mandeha eo alohan'ny vahoakanao Ianao, rehefa mandeha mamakivaky ny tany efitra Ianao, Selaha 8 Dia mihovitrovitra ny tany; mitete orana eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny lanitra, eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra rehefa tonga ao Sinay Izy, eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely. 9 Ianao, ry Andriamanitra, nandatsaka orana be dia be; nampatanjaka ny lovanao Ianao rehefa reraka izany. 10 Mipetraka amin'izany ny olonao; Ianao, ry Andriamanitra, nanome ny mahantra avy tamin'ny hatsaranao. 11 Ny Tompo no nanome ireo baiko, ary tafika lehibe ireo izay milaza izany. 12 13 Nandositra ireo mpanjakan'ireo tafika, nandositra izy ireo, ary ireo vehivavy izay niandry tany an-trano dia nizara ny fandrobana: voromailala voarakotra volafotsy sy elatra volamena mavo. Rehefa nipetraka tamin'ireo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, dia nahoana no nanao izany ianareo? 14 Naparitak'ilay Tsitoha tany ireo mpanjaka, toy ny ny filatsahan'ny oram-panala tany amin'ny Tendrombohitra Zalmona. 15 Ilay tendrombohitra be no tany havoan'i Basana; tendrombohitra avo ilay tany havoan'i Basana. 16 Nahoana ianao no mijery am-pitsiriritana, any amin'ilay tendrombohitra izay tian'Andriamanitra ho toerana honenany, ry tany havoana avo? Eny tokoa, honina ao amin'izany mandrakizay i Yaveh. 17 Roa alina ireo kalesin'Andriamanitra, arivo ambonin'ny arivo; eo amin'izy ireo amin'ny toerana masina, toy ny tany Sinay ny Tompo. 18 Nihoatra ny avo Ianao; nentinao ireo babo; nandray fanomezana avy tamin'ireo olona Ianao, eny fa na avy amin'ireo izay niady taminao aza, mba hitoetra any, Ianao, ry Yaveh Andriamanitra. 19 Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro, ilay Andriamanitra izay famonjentsika. Selaha 20 Ny Andriamanitsika dia Andriamanitra izay mamonjy; Yaveh Tompo dia ilay iray izay mahay manavotra antsika avy any amin'ny fahafatesana. 21 Fa Andriamanitra dia hamely amin'ny lohan'ireo fahavalony, amin'ny volon-dohan'ireo izay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Azy. 22 Hoy ny Tompo hoe: "Ho entiko miverina avy any Basana ireo fahavaloko; ho entiko miverina avy any amin'ny lalina amin'ny ranomasina izy ireo, 23 mba ho afaka hamotika ireo fahavalonao ianao, mandroboka ny tongotrao ao amin'ny rà, ary mba hanana ny anjaran'izy ireo amin'ireo fahavalonao ny lelan'ireo amboanao." 24 Efa nahita ny filaharanao izy ireo, ry Andriamanitra, dia ny filaharan'ny Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny toerana masina. 25 Ireo mpihira no nandeha voalohany, nanaraka tao aoriana ireo mpitendry valiha, ary teo afovoany ireo vehivavy mbola tsy manambady mitendry amponga tapaka. 26 Isaory ilay Andriamanitra ao amin'ny fiangonana; miderà an'i Yaveh, ianareo ry tena taranak'Israely. 27 Misy ny voalohany dia i Benjamina, ilay foko kely indrindra, avy eo ireo mpitarik'i Joda sy ireo mpanaraka azy, ireo mpitarik'i Zebolona sy ireo mpitarik'i Naftaly. 28 Ny Andriamanitrareo, ry Israely, efa nandidy ny tanjakareo; nampiseho taminay ny heriny, ry Andriamanitra, tahaka ny nampisehoanao izany tamin'ny fotoana efa lasa. 29 Asehoy aminay avy ao amin'ny tempolinao ao Jerosalema, izay hitondran'ireo mpanjaka fanomezana ho Anao ny herinao. 30 Mihiakà amin'ny ady amin'ny volotara manohitra ireo bibidia, manohitra ny olona, ireo omby maro sy ireo zanak'omby ireo. Alaivo baraka izy ireo ary ataovy mitondra ireo fanomezanareo; aparitaho ny olona izay tia mikarama an'ady. 31 Hivoaka avy ao Egypta ireo andriana; ho maika amin'ny faninjirany ny tanany amin'Andriamanitra i Etiopia. 32 Mihirà amin'Andriamanitra, ry fanjakan'ny tany; Sela Mihirà fiderana ho an'i Yaveh. 33 Ho an'ilay miakatra amin'ny lanitry ny lanitra, izay efa nisy tamin'ny fotoana efa lasa; indro, manandratra ny feony amin-kery Izy. 34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny tanjaka; ambonin'Israely ny fiandrianany, ary eny an-danitra ny heriny. 35 Ry Andriamanitra, mampitahotra Ianao any amin'ny toeranao masina; ry Andriamanitr'Israely_manome tanjaka sy hery ho an'ny olony Izy. Isaorana anie Andriamanitra.