Salamo faha 65

1 Ho anao, Andriamanitra any Ziona, no andrasan'ny fideranay; hanatanteraka ny voadinay Aminao izahay. 2 Ianao izay mihaino vavaka, ho tonga eo Aminao ny nofo rehetra. 3 Ireo heloka handresy antsika; raha ireo fandikan-dalànantsika, dia hamela ireny Ianao. 4 Sambatra ny olona izay nisafidy hanakaiky Anao mba hahafahany mivelona ao amin'ny fitsaranao. Ho afa-po ny amin'ny hatsaran'ny tranonao, ny tempolinao masina izahay. 5 Amin'ny fahamarinana no hamalianao anay amin'ny fanaovana ireo zava-mahagaga, ry Andriamanitry ny famonjenay; Ianao izay tokin'ny fiafaran'ny tany rehetra sy ny an'ireo izay lavitra ny ranomasina. 6 Fa Ianao no nanamafy orina ny tendrombohitra, Ianao ilay manao fehin-kibo amin'ny hery. 7 Ianao izany no mampangiana ny fieron'ireo ranomasina, ny fieron'ireo onjany, ary ny tabataban'ireo vahoaka. 8 Ireo izay miaina ao amin'ny faran'ny faritry ny tany dia matahotra ny amin'ny porofon'ireo asanao; Ianao no nampifaly ny atsinanana sy ny andrefana. 9 Tonga hanampy ny tany Ianao; manondraka izany Ianao; mampitombo izany fatratra Ianao; ny onin'Andriamanitra dia feno rano; mamatsy vary ny olombelona Ianao tamin'ny Ianao nanomana ny tany. 10 Nanondraka be ireo tany voaasa ao amin'izany Ianao; nametraka ireo sisin'ny tany voaasa Ianao; nanalefaka izany tamin'ny ranon'orana Ianao; mitahy ireo tsimoka eo amin'izy ireo Ianao. 11 Manarona ny taona amin'ny fahatsaranao Ianao; ireo lalana aorian'ny kalesinao dia mitete fahatavizana amin'ny tany. 12 Ireo ahitra ao an'efitra dia mitete ando, ary ireo havoana dia nitafy fifaliana. 13 Rakotra ondry aman'osy ireo ahitra; ireo lohasaha ihany koa dia voasarona vary; nihika am-pifaliana izy ireo, ary nihira.