1 Manaova hiaka-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra; 2 mihirà mafy ny voninahitriny Anarany; omeo voninahitra ny fiderana. 3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: "Endrey mahatahotra ireo asanao! Amin'ny fahalebiazan'ny herinao no haneken'ireo fahavalonao Anao. 4 Ny tany rehetra hanompo Anao ary hihira ho Anao; hihira ny Anaranao izy ireo." Fiatoana sy fiderana 5 Avia ary jereo ireo asan'Andriamanitra; mahatahotra amin'ireo asany lehibe tamin'ny zanak'olombelona Izy. 6 Namadika ny ranomasina ho tany maina Izy; namakivaky ny ony an-tongotra izy ireo; ary nifaly taminy tao izahay. 7 Manapaka mandrakizay amin'ny heriny Izy; mandinika ireo firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ireo mpikomy. Fiatoana sy fiderana. 8 Misaora an'Andriamanitra, ianareo vahoaka, aoka ho re ny feon'ny fiderana Azy. 9 Izy no miahy antsika amin'ny fahavelomana, ary tsy mamela ny tongotsika tsy hibolisatra Izy. 10 Fa Ianao, Andriamanitra o, efa nitsapa anay; efa nitsapa anay tahaka ny fitsapana volafotsy Ianao. 11 Nitondra anay tao anaty harato Ianao; nametraka enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao. 12 Efa nanao ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao; namakivaky afo sy rano izahay, nefa namoaka anay ho any amin'ny toerana midadasika Ianao. 13 Hiditra ao an-tranonao miaraka amin'ireo fanatitra dorana aho; hefaiko Aminao ireo voadiko 14 izay nampanantenain'ny molotro ary notenin'ny vavako rehefa nanam-pahoriana aho. 15 Hanolotra ireo biby matavy ho fanatitra dorana ho Anao aho miaraka amin'ny hanitra mamin'ireo ondry lahy; hanolotra ireo omby sy ireo osy aho. Fiatoana sy fiderana. 16 Avia ary mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, ary holazaiko izay efa nataony ho an'ny fanahiko. 17 Niantso Azy tamin'ny vavako aho, ary noderaina tamin'ny lelako Izy. 18 Raha nahita ny fahotana tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ahy ny Tompo. 19 Kanefa mandre marina Andriamanitra; nitandrina ny feon'ny fivavako Izy. 20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako na ny fanekeny mahatoky tamiko.