1 Henoy ny feoko, ry Andriamanitra, henoy ny fitarainako; arovy amin'ny tahotr'ireo fahavaloko ny aiko. 2 Afeno aho amin'ny tetika miafin'ireo mpanao ratsy, amin'ny tabataban'ireo mpanao meloka. 3 Efa nadranitra ny lelany tahaka ny sabatra izy ireo; nikendry ny zana-tsipìkany izy ireo, dia ny teny mangidy, 4 mba ahafan'izy ireo mikendry ny olona izay tsy manan-tsiny avy ao amin'ny toerana miafina; ary tampoka izy ireo no mikendry azy sady tsy matahotra na inona na inona. 5 Dia nankahery ny tenany tamin'ny teti-dratsy izy ireo; niara-nidinika mangina mba hametraka ireo fandrika izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Iza no hahita antsika?" 6 Mamorina teti-dratsy izy ireo; "Efa vitanay,": hoy izy ireo, "ilay tetika matipaika." Ny anatin'ny eritreritra ny ny fon'ny olona dia lalina. 7 Nefa hikendry azy ireo Andriamanitra; ary tampoka teo dia haratran'ireo zana-tsipìkany izy ireo. 8 Ho tafintohina izy ireo, satria ny lelan'izy ireo ihany no nanohitra azy ireo; izay rehetra mahita azy ireo dia hanifikifika ny lohany. 9 Ny olona rehetra dia hatahotra ary hanambara ny asa lehiben'Andriamanitra. Hieritreritra am-pahendrena izay efa nataony izy ireo. 10 Ny marina ho faly ny amin'Yaveh ary hialoka ao aminy; ny mahitsy am-po rehetra dia hireharehana Aminy.