Salamo faha 59

1 Ho an'ny mpiventy hira; natao Al-Tasheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama; fony naniraka i Saoly, ary niambina ny trano hamono azy izy ireo. Hafaho amin'ireo fahavaloko aho, ry Andriamanitro; hapetrao avo lavitra eo amin'ireo izay mijoro manohitra ahy aho. 2 Harovy amin'ny mpanao heloka aho, ary hafaho amin'ireo olona lian-drà. 3 Fa indro, miandry am-piafenana izy ireo hanafaka ny aiko. Ireo mpanao ratsy mahery dia mivondrona hanohitra ahy, saingy tsy noho ny fandikan-dalàko na ny heloko, ry Yaveh. 4 Miomana ny hamono ahy izy ireo na dia tsy manana fahadisoana aza aho; mifohaza ary vonjeo aho ka jereo. 5 Ianao, ry Yaveh Andriamanitry ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, mitsangàna ary faizo ny firenena rehetra; aza mamindra fo amin'ireo izay mpanao meloka ratsy fanahy. Fiatoana sy fiderana. 6 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo toy ny alika izy ireo ary mandeha nanodidina ny tanàna. 7 Indro, mandrezatra amin'ny vavany izy ireo; ao amin'ny molotr'izy ireo ny sabatra, fa hoy izy ireo hoe: "Iza no nandre anay?" 8 Fa ianao, ry Yaveh, dia miomehy azy ireo; ataonao fiomehezana ny firenen-drehetra. 9 Andriamanitra, heriko, hihaino anao aho, Ianao no tilikambo havoko. 10 Hihaona amiko ny Andriamanitro miaraka amin'ny fanakeny mahatoky; Andriamanitra no hamela ahy hahita ny faniriako amin'ireo fahavaloko. 11 Aza vonoina izy ireo, ndrao ho anadino ny oloko. Hampielezo amin'ny fahefanao izy ireo ary hazerao, ry Tompo ampinganay. 12 Nohon'ny fahotan'ny vavan'izy ireo sy ireo tenin'ny molotr'izy ireo, aoka izy ireo ho samborina ao amin'ny avonavon'izy ireo, ary noho ireo ozona sy lainga izay lazain'izy ireo. 13 Levony amin'ny fahatezerana izy ireo, levony izy ireo mba tsy hisy intsony; avelao izy ireo hahafantatra fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatrany amin'ny faran'ny tany. Fiantoana sy fiderana. 14 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo toy ny alika mandeha manodidina ny tanàna. 15 Mirenireny mitady hanina izy ireo ary mierona tahaka ny alika toy ny hoe tsy voky. 16 Fa hihira momba ny herinao aho, ary amin'ny maraina dia hihira momba ny fitiavanao tsy miova aho! fa Ianao no zary tilikambo avoko sy fialofako amin'ny androm-pahoriako. 17 Ho Anao, ry heriko, hihira fiderana aho; fa Andriamanitra no tilikambo havoko, ilay Andriamanitrin'ny fanekena mahatoky.