1 Ho an'ny mpiventy hira; natao Al-Tasheth. Salamo nataon'i Miktama an'i Davida; ho fampianarana. Fony niady tamin'i Arama Naharaima sy Arama Zoba, ary niverina Joaba ary namono Edomita roa arivo sy iray alina tany an-dohasahan-tsira. Ry Andriamanitra, nanary anay Ianao; efa namaky teo amin'ny fiarovanay Ianao; efa tezitra Ianao; hampodio indray izahay. 2 Efa nampihovitrovitra ny tany Ianao; efa noravanao izany; sitrano ireo triatrany, fa miozongozona izany. 3 Nampahita zava-tsarotra tamin'ny olonao Ianao; nampisotro anay ranom-boaloboka mampivembena ianao. 4 Ho an'ireo izay manome voninahitra anao, dia nanangananao faneva haharihary hanoherana ireo izay mitondra tsipìka. 5 Mba ho voavonjy ireo izy tianao, vonjeo amin'ny tanana ankavananao izahay ary valio aho. 6 Niresaka tam-pahamasinana Andriamanitra: "Hiravoravo Aho; hizara an'i Sekema Aho ary hizara ny lohasahan'i Sokota. 7 Ahy i Gileada sy Manase; Ahy ihany koa ny fiarovan-dohan'i Efraima; ary tehim-panjakako i Joda. 8 Tavin-drano fanasako i Moaba; eo amin'i Edoma no hanipazako ny kapako, hihiaka fandresena Aho noho i Filistia." 9 Iza no hitondra ahy any amin'ny tanàna mahery? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? 10 Fa Ianao, ry Andriamanitra, tsy efa nolavinao ve izahay? Tsy nandeha niady niaraka tamin'ny tafikay Ianao. 11 Ampio izahay hanohitra ny fahavalo, fa ny herin'ny olona dia zava-poana. 12 Handresy izahay nohon'ny fanampin'Andriamanitra; hanitsaka ny fahavolanay Izy.