1 Ho an'ny mpiventy hira; natao Al-Tasheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama. Milaza ny fahamarinana ve ianareo mpanapaka? Mitsara am-pahamarinana ve ianareo, ianareo ry olona? 2 Tsia, manao izay ratsy ao am-ponareo ianareo; mizara herisetra manerana ny tany amin'ny tananareo ianareo. 3 Ny ratsy fanahy mandeha amin'ny lalan-diso na fony tao am-bohoka aza izy ireo; mandeha amin'ny lalan-diso izy ireo hatramin'ny fahaterahana, am-pilazana lainga. 4 Ny poizin'izy ireo dia toy ny pozin'ny bibilava; toy ny bibilava marenina izay manakana ny sofiny tsy handre, 5 izay tsy mitandrina ny feon'ireo mpilalao ody, na manao ahoana na manao ahoana ny fahaizan'izy ireo. 6 Vakio ao am-bavany ny nifin'izy ireo, ry Andriamanitra; vakio ny nify lehiben'ireo liona tanora, ry Yaveh. 7 Avelao izy ireo hitsonika tahaka ny rano raraka; rehefa mitifitra ny tsipîkany izy ireo, dia aoka ho toy ny tsy misy tendrony izany. 8 Aoka izy ireo ho toy ny sifotra mitsonika ka maty, toy ny zaza tsy tonga volan'ny vehivavy iray izay tsy mbola mahita masoandro mihitsy. 9 Mialohan'ny hatsapan'ny vilaninao ny hafanana mandoron'ny tsilo, dia ho hoentiny amin'ny tafio-drivotra ireo, na ny tsilo maitso na ny tsilo mirehitra. 10 Hiravoravo ny marina rehefa mahita ny famalian'Andriamanitra; hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy izy, 11 mba hilazan'ireo olona hoe: "Marina tokoa, fa misy valisoa ho an'ireo olo-marina; marina fa misy Andriamanitra izay mitsara ny tany."