Salamo faha 56

1 Ho an'ireo mpiventy hira; atao Jonatelema-rehokima. Salamo nataon'i Davida. Miktama iray; rehefa nosamborin'ireo Filistina tany Gata izy. MamindrĂ  fo amiko, ry Andriamanitra, fa manafika ahy ireo lehilahy! Ireo izay miady amiko dia manery ny fanafihan'izy ireo amin'ny andro rehetra. 2 Manitsakitsaka ahy amin'ny andro rehetra ireo fahavaloko; fa maro ireo miady amiko am-pireharehana. 3 Rehefa matahotra aho, dia hapetrako aminao ny tokiko. 4 Amin'Andriamanitra, izay deraiko ny teniny_ amin'Andriamanitra no efa nametrahako ny tokiko; tsy hatahotra aho; inona no azon'izay nofo fotsiny atao amiko? 5 Mandika vilana ireo teniko amin'ny andro rehetra izy ireo; manohitra ahy amin'ny fisainan-dratsy rehetra izy ireo. 6 Mikambana izy ireo, manafin-tena izy ireo, ka mitsongo-dia ahy izy ireo, satria dia mikendry ny aiko izy ireo. 7 Aza avela handositra amin'ny fanaovan-dratsy izy ireny. Reseo amin'ny hatezeranao ireo vahoaka, ry Andriamanitra. 8 Manisa ny firenireniko Ianao ary mametraka ny ranomasoko ao an-tavoahanginao; tsy voasoratra ao amin'ny bokinao ve ireny? 9 Ary dia hiverina amin'ny andro izay iantsoako Anao ireo fahavaloko; fantatro izany, fa hiady ho ahy Andriamanitra. 10 Amin'Andriamanitra_ izay deraiko ny teniny, amin'i Yaveh_ izay deraiko ny teniny, 11 amin'Andriamanitra no itokiko, dia tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? 12 Ato amiko ny adidy hanatanterahana ireo voadiko aminao, ry Andriamanitra; hanatitra fanati-pisaorana Aminao aho. 13 Fa efa namonjy ny fiainako tamin'ny fahafatesana Ianao; nihazona ny tongotro tamin'ny fianjerana ianao, mba hahafahako mandeha eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazan'ny velona.