1 Manongilàna sofina amin'ny fivavako, ry Andriamanitra; ary aza manafina ny tenanao amin'ny fitarainako. 2 Henoy aho ka valio; Tsy manam-pitsaharana amin'ireo olako aho 3 noho ny feon'ireo fahavaloko, noho ny fampahorian'ireo ratsy fanahy; fa mitondra olana aty amiko ka manenjika ahy amim-pahatezerana izy ireo. 4 Mangovitra ato anatiko ny foko, ary nilatsaka tamiko ny horohorom-pahafatesana. 5 Efa tonga tamiko ny fahatahorana sy ny fangovitana, ary nandifotra ahy ny horohoro. 6 Hoy aho hoe: "Raha mba nanan'elatra tahaka ny voromailala aho! Dia nanidina aho ary ho amin'ny fitsaharana. 7 Nirenireny lavitra tokoa; nijanona tany an'efitra aho. Fiatoana sy fiderana 8 Namonjy fialofana faingana amin'ny tafio-drivotra sy ny ranon'orambaratra aho." 9 Levony izy ireny, ry Tompo, ampifangaroy ny fitenin'izy ireny! Fa efa nahita herisetra sy fifandirana tao an-tanàna aho. 10 Mandehandeha andro aman'alina eo ambonin'ireo rindrin'izany ireny; heloka sy sompatra no eo afovoan'izany. 11 Faharatsiana no eo an'ivon'izany; ary tsy miala amin'ireo tsenan'izany ny fampahoriana sy ny fitaka. 12 Fa tsy fahavalo no niteny mafy ahy, raha tsy izany dia afaka niaritra izany aho; ary tsy ilay nankahala ahy no nanao tsinontsinona ahy, raha tsy izany dia ho afaka nanafina ny tenako taminy ihany aho. 13 Saingy ianao no izy, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako akaiky. 14 Nanana fiombonana mamy isika; nandeha tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'ny vahoaka isika. 15 Aoka ho tonga amin'izy ireo amin'ny tsy ampoizina ny fahafatesana; aoka izy ireo hidina velona any amin'ny fiainan-tsy hita, fa ny faharatsiana no toerana onenan'izy ireo, na aiza na aiza alehan'izy ireo. 16 Raha ny amiko, dia hiantso an'Andriamanitra aho, ary hanavotra ahy Yaveh. 17 Mitaraina sy mitoloko aho amin'ny hariva, ny maraina ary ny mitatao vovonana; dia haheno ny feoko Izy. 18 Hamonjy ny fiainako soa aman-tsara Izy amin'ny ady izay manohitra ahy, fa maro dia maro ireo izay niady tamiko. 19 Andriamanitra, ilay Iray izay manjaka mandrakizay, no hihaino sy hanala baraka azy ireo. Fiatoana sy fiderana Tsy miova mihitsy izy ireo, ary tsy matahotra an'Andriamanitra. 20 Nanandran-tanana hanohitra ireo izay nihavana taminy ny sakaizako; tsy nanaja ny fifanekena izay nananany izy. 21 Nalama tahaka ny dibera ny vavany, kinanjo nankahala ny fony; nalefaka tahaka ny diloilo ireo teniny, nefa hay nanatsatoka sabatra izy ireo. 22 Apetraho eo amin'i Yaveh ireo enta-mavesatrao, dia hihazona anao Izy; tsy hamela ny olo-marina hangozohozo mihitsy Izy. 23 Fa Ianao, ry Andriamanitra, no hampidina ny ratsy fanahy ho any an-davaky ny fahapotehana; ireo mangetaheta rà sy ireo olona mpamitaka dia tsy hiaina akory na dia ny antsasaky ny an'ny hafa aza, nefa hatoky Anao aho.