1 Ny adala manao anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Mpanao ratsy izy ireo ary nahavita fahavetavetana; tsy misy manao ny tsara. 2 Miondrika mijery ireo zanak'olombelona avy any an-danitra Andriamanitra mba hizaha raha misy mahatakatra, izay mitady Azy. 3 Fa nivily avokoa izy rehetra. Niara-nivadika ho ratsy izy ireo. Tsy misy manao ny marina, na dia iray akory aza. 4 Moa ireo izay manao ratsy tsy manana fahazavan-tsaina_ dia ireo izay mandevona ny oloko tahaka azy ireo mihinana mofo ary tsy miantso an'Andriamanitra izy ireo? 5 Tamin'ny tahotra lehibe izy ireo, na dia tsy nisy antony tokony hampatahotra; fa Andriamanitra hanapatapaka ireo taolan'izay hitoby hanohitra anao; ny olona toy izany dia ho halaim-baraka satria efa nolavin'Andriamanitra izy ireny. 6 Enga anie ka ho tonga avy any Ziona ny famonjen'Israely! Rehefa entin'Andriamanitra miverina avy amin'ny fahababoana ny vahoakany, dia hiravoravo i Jakoba ary ho faly ny Israely!