1 Nahoana ianao no mirehareha amin'ny fanaovan-dratsy, ianao ry lehilahy mahery? Tonga isan'andro ny fanekena mahatokin'Andriamanitra. 2 Mandrafitra famotehana ny lelanao tahaka ny hareza maranitra, miasa amim-pitaka. 3 Tia ratsy mihoatra ny tsara ianao ary mandainga toy izay milaza ny fahamarinana. Fiatoana sy fiderana 4 Mankafy ny teny rehetra izay mandratra ny hafa ianao, ianao ry lela mpamitaka. 5 Hamotika anao toy izany mandrakizay koa Andriamanitra; haka anao izy ka hamongotra anao ao amin'ny lainao ary hanongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. Fiatoana sy fiderana 6 Hahita izany ihany koa ny marina ka hatahotra; hihomehy azy izy ireo ka hiteny hoe: 7 "Indro, ity ilay lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho fialofany, fa nitoky tamin'ny fahamaroan'ny hareny izy, ary nahery tamin'ny namotehany ny hafa." 8 Nefa raha ny amiko, dia tahaka ny hazon'oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra aho; hatoky ny fanekena mahatokin'Andriamanitra mandrakizay doria aho. 9 Hanome sitraka Anao mandrakariva aho amin'izay vitanao. Hiandry ny Anaranao eo amin'ny fanatrehan'ny vahoaka masinao aho, satria tsara izany.