Salamo faha 49

1 Mihainoa izao, ianareo ry vahoaka rehetra; atongilano ny sofina, ianareo ry mponin'ny tany, 2 na ambony na ambany, miaraka amin'ny mahantra sy ny manan-karena. 3 Ny vavako hiteny fahendrena, ary ho fazavan-tsaina ny fisaintsainan'ny foko. 4 Hangilan-tsofina amin'ny fanoharana aho; ary hanomboka ny fanoharako amin'ny lokanga aho. 5 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo andro ratsy, raha manodidina ahy ny heloka mpamingana? 6 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo izay matoky ny hareny sy mirehareha amin'ny haben'ireo fananany? 7 Azo antoka fa tsy hisy afaka hanavotra ny rahalahiny na hanome tamby ho an'Andriamanitra ho azy, 8 fa ny fanavotana aina dia lafo, ary tsy misy afaka mandoa izay tokony honerantsika. 9 Tsy misy afaka miaina mandrakizay ka tsy ho simba ny vatany. Fa ahita fahasimbana izy. 10 Ny olo-kendry dia ho faty; ny adala sy ny masiaka dia ho levona ary mamela ny hareny ho an'ireo hafa. 11 Izy ireo dia mihevitra fa ireo fianakaviany, sy ireo toerana izay fonenany, dia hitoetra mandrakizay, ho an'ireo taranany; amin'ny anaran'ny tenan'izy ireo no hiantsoany ny tanin'izy ireo. 12 Nefa ny olona, manana harena, dia tsy hitoetra ho velona; fa tahaka ireo biby izay ho faty. 13 Ity, lalan'izy ireo ity, dia adalan'izy ireo; kanefa aorian'izy ireo, dia ankasitrahan'ireo olona ny tenin'izy ireo. Fiatoana sy fiderana 14 Tahaka ny ondry no nanendrena azy ireo ho amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny fahafatesana no mpiandry azy ireo. Ary hanapaka azy ireo ny fahitsiana amin'ny maraina, ary ny vatan'izy ireo dia ho levona any amin'ny Fiainan-tsy hita, ka tsy hisy toerana honenan'izy ireo. 15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny Fiainan-tsy hita; handray ahy Izy. Fiatoana sy fiderana 16 Aza matahotra raha misy olona manan-karena, ary mitombo ny voninahitry ny tranony. 17 Fa rehefa maty izy dia tsy hitondra na inona na inona mankany; tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny. 18 Raha niaina izy dia nitahy ny fanahiny_ary hidera anao ny olona maro raha miaina ho an'ny tenanao ianao_ 19 hankany amin'ny taranaky ny razambeny izy ary tsy hahita ny fahazavana itsony izy ireo. 20 Fa izay manan-karena kanefa tsy manam-pahalalana dia tahaka ireo biby, izay ho faty.