1 Lehibe Yaveh ary tokony hoderaina indrindra, ao an-tanan'Andriamanitsika eo an-tendrombohiny masina. 2 Avo mahafinaritra, ny fifalian'ny tany rehetra, dia ny tendrombohitr'i Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe. 3 Andriamanitra dia efa nampahafantatra ny tenany tao amin'ireo lapany ho fialofana. 4 Fa, indro, niangona ny mpanjaka maro; niaraka nandalo avokoa izy ireo. 5 Nahita izany izy ireo, ka dia talanjona; raiki-tahotra izy ireo, ka nitsoaka faingana. 6 Nahazo azy ireo tany ny fahangovitana, dia tahaka ny hirifirin'ny vehivavy rehefa miteraka. 7 Avy amin'ny rivotra avy any antsinanana no namakianao ny sambon'ny Tarsisy. 8 Araka izay efa rentsika, no hitantsika tao an-tanànan'ny Yaveh Tompon'ny maro; ao an-tanànan'i Andriamanintsika. Hampitoetra azy mandrakizay Andriamanitra. Fiatoana sy fiderana 9 Efa nieritreritra ny amin'ny tsy fivadiam-panekenao, eo afovoan'ny tempolinao izahay, Andriamanitra. 10 Fa ny anaranao dia, Andriamanitra, ka dia hatrany amin'ny faran'ny tany ny fiderana Anao; feno fahamarinana ny tanana ankavananao. 11 Aoka hifaly ny tendrombohitr'i Ziona, aoka hifaly ireo zanaka vavin'i Joda nohon'ny didy marinao. 12 Mihodidìna amin'ny tendrombohitr'i Ziona, mandehana mihodidina aminy; isao ireo tilikambony, 13 hamarino ny mandany, ary jereo ireo lapany mba ahafahanao mitantara izany amin'ny taranaka manaraka. 14 Fa io Andriamanitra io no Andriamanintsika mandrakizay doria; Izy no mpitarika antsika na amin'ny fahafatesana aza.