Salamo faha 47

1 Mitehàfa tanana, ianareo ry vahoaka rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra amin'ny feon'ny fandresena. 2 Fa Yaveh no avo indrindra ka hatahorana; Izy no Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra. 3 Mandresy ireo vahoaka ho eo ambanintsika Izy ary firenena maro ho eo ambanin'ny tongotsika. 4 Mifidy ny lovatsika ho antsika Izy, ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. Fiatoana sy fiderana 5 Fa efa niakatra miaraka amin'ny fihobiana Andriamanitra, Yaveh miaraka amin'ny feon'ny trompetra. 6 Mihirà fiderana ho an'Andriamanitra, mihirà fiderana an'ny Mpanjakatsika, mihirà fiderana. 7 Fa Andriamanitra no Mpanjaka an'izao tany rehetra izao; mihirà fiderana miaraka amin'ny fahazavan-tsaina. 8 Manjaka amin'ny firenena rehetra Andriamanitra; mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany masina Andriamanitra. 9 Ny andrianan'ireo vahoaka miangona ho an'ny olon'Andriamanitr'i Abrahama. Fa ireo ampingan' ny tany dia an'Andriamanitra; ambony indrindra Izy.