1 Andriamanitra no fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny olana. 2 Noho izany tsy hatahotra izahay, na dia tokony hiova aza ny tany, na dia tokony hihozongozona ao afovoan'ireo ranomasina aza ireo tendrombohitra, 3 na dia mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny ranon'izany, ary na dia hangovitra miaraka amin'ny fisafoakany aza ireo tendrombohitra. Fiatoana sy fiderana. 4 Misy ony ao, ny fikorinany izay mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, dia toerana masin'ireo tabernakelin'Ilay Avo Indrindra. 5 Eo afovoan'izany Andriamanitra, tsy ho tafahetsika izany; hanavotra izany Andriamanitra, ary hanao izany vao mangiran-dratsy Izy. 6 Tezitra ireo firenena ary nihozongozona ireo fanjakana; nanandratra avo ny feony Izy, ary niempo ny tany. 7 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro ; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofantsika. Fiatoana sy fiderana. 8 Avia, indro ireo asan'i Yaveh, ny fandravana izay efa nataony tamin'ny tany. 9 Nampitsahariny hatrany amin'ny faran'ny tany ireo ady; mamotipotika ny tsipìka Izy ary manapatapaka ny lefona; mandoro ireo ampinga Izy. 10 Mangìna ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra; hasandratra amin'ireo firenena Aho; hasandratra eto an-tany aho. 11 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamanitr'i Jakoba no fialofantsika. Fiatoana sy fiderana.