Salamo faha 45

1 Mamoaka foto-kevitra tsara ny foko; hovakiako mafy ireo teny izay narafitro momba ny mpanjaka, ny lelako no penin'ny mpanoratra mahay. 2 Ianao mbola tsara noho ireo zanak'olombelona; nararaka tao amin'ny molotrao ny fahasoavana; noho izany fantatsika fa Andriamanitra mitahy anao mandrakizay. 14 Entina eo amin'ny mpanjaka izy amin'ny akanjo misy peta-kofehy; ireo virijiny, ireo namany izay manaraka azy, dia ho entina aminao. 15 Ho entina am-pifaliana sy am-piravoravoana izy ireo; hiditra eo amin'ny lapan'ny mpanjaka izy ireo. 5 Maranitra ireo zana-tsipìkanao; lavo ao ambaninao ny vahoaka; ao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka ireo zana-tsipìkanao. 6 Ny seza fiandriananao, ry Andriamanitra, dia mandrakizay doria; tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakanao. 7 Tia fahamarinana Ianao ary mankahala ny faharatsiana; noho izany Andriamanitra, Andriamanitrao, dia efa nanosotra anao tamin'ny diloilon'ny fifaliana mihoatra noho ireo namanao. 8 Ny akanjonao rehetra mamofona miora, vahona, ary kasia; efa nampifaly anao ireo valiha any ivelan'ny lapan'ireo ivoara. 9 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka dia eo amin'ireo vehivavy manan-kaja; eo an-tanana an-kavananao no mitsangana ny mpanjakavavy mitafy ny volamenan'i Ofira. 10 Henoy, ry zanaka vavy, mandiniha ary atongilano ny sofinao; adinoy ny vahoakanao sy ny tranon-drainao. 11 Amin'izany fomba izany dia haniry ny hatsaranao ny mpanjaka, izy no tomponao, hajao izy. 12 Ireo zanaka vavin'i Tiro dia ho any miaraka amin'ny fanomezana; ny manan-karena eo amin'ny olona dia hitalaho ny fankasitrahanao. 13 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka ao an-dapa dia be voninahitra avokoa; ny fitafiny dia natao tamin'ny volamena. 14 Entina eo amin'ny mpanjaka izy amin'ny akanjo misy peta-kofehy; ireo virijiny, ireo namany izay manaraka azy, dia ho entina aminao. 15 Ho entina am-pifaliana sy am-piravoravoana izy ireo; hiditra eo amin'ny lapan'ny mpanjaka izy ireo. 16 Ao amin'ny toeran'ireo razanao no hisy ireo zanakao, izay hataonao andriana amin'ny tany rehetra. Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taranakao rehetra aho. 17 Noho izany ny vahoaka hanome fisaorana anao mandrakizay doria.