1 Renay tamin'ny sofinay, ry Andriamanitra, ireo razanay nanambara taminay ireo asa nataonao tamin'ny andron'izy ireo, tamin'ny andro taloha. 2 Nandroaka ireo firenena tamin'ny tananao Ianao, fa nampitoerinao ny vahoakanay; nampahory ireo vahoaka Ianao, fa nanaparitaka ny vahoakanay tao amin'ny tany Ianao. 3 Fa tsy azon'izy ireo mba ho fananany ny tany tamin'ny alalan'ny saban'izy ireo ihany, na ny sandrin'izy ireo manokana ary tsy nahavonjy azy ireo; nefa ny tanan-kavananao, ny sandrinao, ary ny fahazavan'ny tavanao, satria tsara tamin'izy ireo Ianao. 4 Ry Andriamanitra, Ianao no mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba. 5 Amin'ny alalanao no hanindrianay ireo fahavalonay; amin'ny alalan'ny anaranao no hanitsahanay azy ireo, ireo izay mitsangana hanohitra anay. 6 Fa izaho tsy mahatoky ny tsipìkako, na dia ny sabako aza tsy mahavonjy ahy. 7 Fa Ianao namonjy anay tamin'ireo fahavalonay, ary nampahamenatra ireo izay mankahala anay. 8 Ao amin'Andriamanitra no nanaovanay ny fireharehanay mandritra ny andro rehetra, ary hanome fisaorana mandrakariva ny Anaranao izahay. Fiatoana sy fiderana. 9 Fa ankehitriny nanary anay Ianao ary nitondra fahafaham-baraka ho anay, ary tsy mba nivoaka niaraka amin'ny tafikay Ianao. 10 Nampihemotra anay tamin'ny fahavalo Ianao, ary ireo nankahala anay nandray ny harena ho azy ireo. 11 Nanao anay ho toy ny ondry voalahatra ho sakafo ianao ary nampiely anay tamin'ireo firenena. 12 Nivarotra ny olonao amin'ny tsy antony Ianao; tsy nampitombo ny harenao Ianao tamin'ny nanaovana izany. 13 Nanao anay ho fitenenana mafy ho an'ireo mpiara-belona aminay Ianao, naneso sy nananihany anay tamin'ireo manodidina anay. 14 Nanao anay ho faniratsirana tamin'ireo firenena Ianao, ho loham-pangovitana teo amin'ireo vahoaka. 15 Manoloana ahy amin'ny andro lava rehetra ny fahafaham-baraka, ary ny fahamenaran'ny tavako nandrakotra ahy 16 noho ny feon'izay miteny mafy sy maniratsira, noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty. 17 Izany rehetra izany no tonga aminay, nefa tsy adinonay Ianao na tsy nankatò ny fanekem-pihavananao. 18 Tsy niverin-dalana ny fonay; ireo famindranay tsy nandeha niala tamin'ny lalanao. 19 Nefa nanapaka mafy anay teo amin'ny toeran'ireo amboadia Ianao ary nandrakotra anay tamin'ny aloky ny fahafatesana. 20 Raha nanadino ny Anaran'Andriamanitray izahay na namelatra tananay tamin'andriamani-kafa, 21 tsy hitady izany ve Andriamanitra? Fa mahalala ireo tsiambaratelon'ny fo Izy. 22 Eny tokoa, noho ny Aminao no hamonoana anay amin'ny andro lava rehetra; noheverina ho toy ny ondry ho amin'ny famonoana izahay. 23 Mifohaza, nahoana no matory Ianao, ry Tompo? Mitsangàna, aza manary anay maharitra. 24 Nahoana no manafina ny tavanao Ianao sy manadino ny fahorianay ary ny fampahoriana anay? 25 Fa levona anaty vovoka izahay; ireto vatanay mifikitra amin'ny tany. 26 Mitsangàna ho famonjenay ary manavota anay noho ny amin'ny fanekenao mahatoky.