Salamo faha 43

1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary iadio ny adiko hanohitra ireo firenena tsy afaka an'Andriamanitra. 2 Fa Ianao no Andriamanitry ny heriko. Nahoana no nanary ahy Ianao? Nahoana aho no handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo ahy? 3 Eh, alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao, aoka ireo hitarika ahy. Aoka ireo hitarika ahy any amin'ny vohitrao masina sy any amin'ny fonenanao. 4 Dia handeha eo amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, any amin'Andriamanitra izay fifaliako indrindra. Hidera Anao amin'ny valiha aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro. 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina mafy ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy Ilay famonjena ahy sy Andriamanitro indray aho.