1 Tahaka ny diera maniry rano mikoriana mafy, no angetahetako Anao, ry Andriamanitra o. 2 Mangetaheta an'Andriamanitra aho, ho an'ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no ho tonga sy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra? 3 Ireo ranomasoko no hany sakafoko andro aman'alina, raha manambara amiko mandrakariva ny fahavaloko hoe: "Aiza ny Andriamanitrao?" 4 Ireto zavatra ireto no tsaroako raha mandraraka ny fanahiko aho: endrey ny nandehanako niaraka tamin'ny vahoaka sy nitarihako azy ireo tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'ny feon'ny fifaliana sy fiderana, ny fankalazana marobe ny firavoravoana. 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana ianao no tohina ao anatiko? Manantenà an'Andriamanitra, mba hiderako Azy indray izay famonjeko. 6 Ry Andriamanitro ô, ny fanahiko mitanondrika ao anatiko, noho izany mahatsiaro Anao aho avy amin'ny tanin'ny Jordana, amin'ny tendro telon'ny Tendrombohitr'i Hermona, ary avy amin'ny havoan'i Mizara. 7 Ny lalina miantso ny lalina ao amin'ny tabataban'ireo riandranonao; ireo onjanao sy ireo alon-dranonao rehetra dia manafotra ahy. 8 Nefa Yaveh handidy ny fanekena mahatokiny amin'ny atoandro; ny amin'ny alina dia hiaraka amiko ny hirany, vavaka iray ho an'Andriamanitry ny aiko. 9 Hilaza amin'Andriamanitra ilay vatolampiko aho: "Nahoana Ianao no nanadino ahy? Nahoana aho no handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo?" 10 Toy ny fisian'ny sabatra amin'ireo taolako, no hitenenan'ireo fahavaloko mafy ahy, raha miteny amiko mandrakariva izy ireo hoe: "Aiza ny Andriamanitrao?" 11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina mafy ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy Ilay famonjena ahy sy Andriamanitro indray aho.