1 Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh, dia efa niteny sy niantso ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany. 2 Avy ao Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy, no nasehon'Andriamanitra. 3 Avy ny Andriamanitsika ka tsy mba mangina; afo no mandevona eo anoloany, ary tafio-drivotra be no eo amin'ny manodidina Azy. 4 Miantso ny lanitra ambony sy ny tany Izy mba hahafahany mitsara ny vahoakany: 5 "Angony miaraka ho ety amiko ireo mahatoky Ahy, dia ireo izay efa nanao fanekena tamiko tamin'ny sorona." 6 Ny lanitra hanambara ny fahamarinany, fa Andriamanitra tenany no mpitsara. Fiatoana sy fiderana 7 "Mihainoa, ry oloko, dia hiteny Aho, Izaho no Andriamanitra, Andriamanitrareo. 8 Tsy hananatra anao noho ireo soronao aho; manoloana ahy hatrany ireo fanatitrao ho dorana. 9 Tsy haka ombilahy avy ao an-tranonao aho, na ireo osilahy avy ao amin'ny saha niandrasana azy. 10 Fa ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ireo biby fiompy any amin'ny havoana an'arivony. 11 Fantatro avokoa ireo voron'ireo tendrombohitra, ary ireo bibidia eny an-tsaha dia ahy. 12 Raha noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao, sy izay rehetra ao aminy. 13 Hihinana ny nofon'ireo ombilahy ve Aho na hisotro ny ran'ireo osilahy? 14 Atolory an'Andriamanitra ny soron'ny fisaorana, ary efao amin'ny Avo Indrindra ireo voadinao. 15 Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao." 16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy: "Inona no ho ataonao amin'ny fanambarana ireo lalàko, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny fanekeko, 17 fa nankahala ny torolalana sy manary ireo teniko ianao? 18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia miray loha aminy ianao; mandray anjara amin'ireo izay mijangajangana ianao. 19 Omenao an'ny ratsy ny vavanao, ary maneho fitaka ny lelanao. 20 Mipetraka sy miteny hanohitra ny rahalahinao ianao, ary manendrikendrika ny zanaka lahin-dreninao. 21 Izany zavatra rehetra izany dia nataonao, nefa nitazona ny fahanginana Aho, ka dia nihevitra ianao fa olona mitovy amin'ny tenanao Aho. Fa hananatra anao Aho ary hampisandratra, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ireo zavatra rehetra nataonao. 22 Omeo fiheverena tsara izany, ianao izay manadino an'Andriamanitra, raha tsy zany dia hopotipotehiko ianao, ary tsy hisy na iza na iza ho avy hanampy anao! 23 Izay manolotra sorona fisaorana dia mankalaza Ahy, ary na iza na iza mikasa ny lalany ho amin'ny fahamarinana dia hanehoako ny famonjen'Andriamanitra."