Salamo faha 39

1 Ho an'ny mpiventy hira, ho an'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida. Nanapa-kevitra aho hoe: "Hitandrina izay lazaiko aho mba tsy hanota amin'ny lelako. Ho asiko fehiny ny vavako rehefa eo amin'ny fanatrehan'ny olon-dratsy." 2 Nihazona fahanginana aho; tsy niteny aho na dia tamin'ny fitenenana ny tsara aza, ary niharatsy ny fanaintainako. 3 Lasa nafana ny foko; rehefa nieritreritra momban'ireo zavatra ireo aho, dia niredareda toy ny afo izany. Avy eo niteny ihany aho ny farany. 4 "Ry Yaveh, hampahafantaro ahy ny faran'ny androko sy ny fetran'ireo androko. Ampisehoy ahy ny fandalovako. 5 Indro, nataonao toy ny halavan'ny tanako fotsiny ny androko, ary ny androm-piainako dia toy ny tsy misy eo anatrehanao. Azo antoka fa fofon'aina iray ny olona rehetra. Fihatoana sy fiderana. 6 Azo antoka fa mandehandeha toy ny aloka ny olona. Azo antoka fa maika hanangona harena ny olona rehetra na dia tsy fantatr'izy ireo aza izay handray ireo. 7 Ankehitriny, ry Tompo, inona no andrasako? Ianao irery no fanantenako. 8 Avoty amin'ireo fahotako aho; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala. 9 Mangina aho ary tsy afaka manokatra ny vavako, satria Ianao no efa nanao izany. 10 Aoka izay ny fandratrana ahy; manafotra ahy ny fitsoky ny tananao. 11 Rehefa mananatra olona nohon'ny fahotana ianao, dia manimba ireo zavatra izay iriany toy ny kalalao; tsy misy dikany tokoa ny olona rehetra fa entona ihany. Fihatoana sy fiderana. 12 Enoy ny fivavako, ry Yaveh, ary henoy aho; henoy ny tomaniko! Aza manampin-tsofina amiko, fa toy ny vahiny Aminao aho, mpitsoa-ponenana toy ireo razambeko rehetra. 13 Aza saziana intsony aho mba hafahako mitsiky indray mialohan'ny hafatesako."