Salamo faha 38

1 Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Ry Yaveh, aza miteny mafy ahy amin'ny fahatezeranao; aza manazasy ahy amin'ny hatezerenao. 2 Fa mandefona ahy ny tsipikanao, ary manindry ahy ny tananao. 3 Marary nohon'ny hatezeranao avokoa ny vatako manontolo; tsy misy fahasalamana ao amin'ireo taolako nohon'ny fahotako. 4 Fa manenika ahy ireo heloko; enta-mavesatra ho ahy ireo. 5 Manaintaina ireo ratrako ary misy fofona noho ireo adalako. 6 Miondrika aho ary afa-baraka isan'andro; misaona foana aho tontolo andro. 7 Fa ao anatiko, dia feno firehetana; tsy misy fahasalamana ao amin'ny nofoko. 8 Torovana aho ary torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifirian'ny foko aho. 9 Tompo, fantatrao ny faniriana lalina indrindra ao am-poko, ary tsy miafina aminao ny sentoko. 10 Midobodoboka ny foko, miha-malazo ny heriko, ary pahina ny fahitan'ny masoko. 11 Ireo namako sy ireo mpiara-mitory amiko dia manalavitra ahy nohon'ny toe-javatra misy ahy; mijoro lavitra ireo mpiray vodi-rindrina amiko. 12 Ireo izay mitady ny aiko dia mandatsaka fandrika ho ahy. Ireo izay mitady ny tanako dia miresaka teny fahapotehana ary milaza teny mamitaka tontolon'ny andro. 13 Fa izaho, tahaka ny olona marenina aho ary tsy mahare na inona na inona; tahaka ny olona moana izay tsy milaza na inona na inona aho. 14 Tahaka ny lehilahy izay tsy mahare sy tsy manana vali-teny aho. 15 Azo antoka fa miandry Anao aho, ry Yaveh; hamaly Ianao, ry Tompo Andriamanitro. 16 Milaza izany aho mba tsy hifaly amiko ireo fahavaloko. Raha solafaka ny tongotro, dia hanao zavatra mahatsiravina amiko ireo. 17 Fa efa ho tafintohina aho, ary manaintaina foana. 18 Miaiky ny heloko aho; manahy ny amin'ny fahotako aho. 19 Fa maro be ireo fahavaloko; maro ireo izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana. 20 Mamaly ratsy ahy amin'ny tsara izy ireo; mitoraka fiapangana ahy izy ireo na dia nanaraka izay tsara aza aho. 21 Aza mamela ahy, ry Yaveh; Andriamanitro, aza mijanona lavitra ahy. 22 Faingana hanampy ahy, ry Tompo, mpamonjiko.