Salamo faha 37

1 Salamo nataon'i Davida. Aza tezitra noho ireo mpanao ratsy; aza maniry ireo izay manao ny tsy marina. 2 Fa ho maina tsy ho ela tahaka ny bozaka izy ireo ary halazo tahaka ireo zava-maniry. 3 Mahatokia an'i Yaveh ary manaova ny tsara; mitoera eny amin'ny tany ary hampitomboy ny fahatokiana. 4 Avy eo mankasitraha an'i Yaveh, dia homeny anao izay irian'ny fonao. 5 Atolory an'i Yaveh ny lalanao; mahatokia Azy, dia hiasa ho anao Izy. 6 Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny tsy fahamelohanao tahaka ny andro amin'ny mitatao vovonana. 7 Milamìna manoloana an'i Yaveh ary miandrasa Azy am-paharetana. Aza tezitra raha misy olona mahomby amin'ny zavatra ataony, na rehefa manao teti-dratsy izy. 8 Aza tezitra sy kivy. Aza matahotra. Mahatonga korontana fotsiny izany. 9 Ho tapahana ireo mpanao ratsy, fa ireo izay miandry an'i Yaveh kosa dia handova ny tany. 10 Afaka fotoana fohy dia hanjavona ny olon-dratsy; hijery eo amin'ny toerany ianao, fa izy kosa ho lasa. 11 Fa ny malemy fanahy dia handova ny tany ary hisitraka amin'ny fanambinana lehibe. 12 Ny lehilahy ratsy fanahy dia manao teti-dratsy manohitra ny marina ary manidy ny nifiny aminy. 13 Mihomehy azy ny Tompo, satria hitany fa tonga ny androny. 14 Namoaka ny sabany ny ratsy fanahy ary nanenjana ny tsipikan'izy ireo tamin'ny ory sy mahantra, mba hamono ireo izay mahitsy. 15 Handefona ny fon'izy ireo manokana ny sabatr'izy ireo, ary ho simba ny tsipikan'izy ireo. 16 Tsara kokoa ny kely ananan'ireo marina noho ny habetsaky ny an'ireo olon-dratsy. 17 Fa ho tapahana ny tanan'ny olona ratsy fanahy, satria Yaveh manohana ny olo-marina. 18 Yaveh dia mijery isan'andro isan'andro an'ireo tsy manan-tsiny, ary ny lovan'izy ireo dia ho mandrakizay. 19 Tsy ho menatra izy ireo rehefa ratsy ireo andro. Rehefa tonga ny mosary, dia hanana ny ampy ho hanina izy ireo. 20 Fa ho faty ny olona ratsy fanahy. Ho tahaka ny voninahitr'ireo saha ireo fahavalon'i Yaveh; ho levona izy ireo ary ho levon-ko setroka. 21 Ny olona ratsy fanahy dia mindrana fa tsy mamerina, fa ny olo-marina kosa malala-tanana sy manome. 22 Ireo izay notahin'Andriamanitra dia handova ilay tany; ireo izay hozonony dia ho tapahana. 23 Amin'ny alalan'i Yaveh no hametrahana ny dian'ny olona, ny olona izay azo baikoina eo imason'Andriamanitra ny lalany. 24 Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba hianjera, satria mihazona azy amin'ny tanany Yaveh. 25 Efa tanora aho fa antitra ankehitriny; tsy mbola nahita olo-marina nilavo lefona aho na nangataka mofo ny zanany. 26 Mamindra fo sy mampindrana mandrakariva izy, ary lasa fitahiana ny zanany. 27 Mialà amin'ny ratsy ary manaova izay marina; dia hilamina mandrakizay ianao. 28 Fa tia fitsaràna Yaveh ary tsy mandao ireo mpanara-diany mahatoky. Voaaro mandrakizay izy ireo, fa ireo taranaky ny ratsy fanahy kosa ho tapahana. 29 Handova ny tany ary hiaina ao mandrakizay ny marina. 30 Ny vavan'ny olo-marina dia miteny fahendrena ary mampitombo fitsaràna. 31 Ny lalàn'ny Andriamaniny dia ao am-pony; tsy ho solafaka ny tongony. 32 Ny olona ratsy fanahy dia mijery ny olo-marina ary mitady ny hamono azy. 33 Tsy hanary azy eo an-tanan'ny olon-dratsy Yaveh na hanameloka azy rehefa notsaraina izy. 34 Miandrasa an'i Yaveh ary tandrovy ny lalany, ary hanangana anao Izy mba ho fanananao ny tany. Ho hitanao rehefa tapahana ny ratsy fanahy. 35 Efa nahita olona ratsy fanahy sy mihorohoro niely toy ny hazo maitso ao amin'ny taniny aho. 36 Fa rehefa nandalo teo indray aho, dia tsy teo izy. Nitady azy aho, fa tsy hita izy. 37 Araho maso ny olona tsy mivadika, ary farito ny mahitsy; misy ho avy tsara ho an'ny olon'ny fiadanana. 38 Ho potika tanteraka ireo mpanota; tapaka ny ho avin'ny olona ratsy fanahy. 39 Ny famonjena ny marina dia avy amin'i Yaveh; miaro azy ireo Izy amin'ny fotoanan'ny korontana. 40 Manampy azy ireo Yaveh ary manavotra azy ireo. Manavotra azy ireo amin'ireo olon-ratsy Izy ary mamonjy azy ireo satria efa nialoka tao Aminy izy ireo.