1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry am-paharetana an'i Yaveh aho; nihaino ahy Izy ary nandre ny tomaniko. 2 Nisintona ahy hiakatra avy tao an-davaka Izy, avy tao amin'ny fotaka mandrevo, ary nametraka ny tongotro teo amin'ny vatolampy ary niaro ny diako. 3 Nasiany hira vaovao tao am-bavako, fiderana ho an'ny Andriamanintsika. Maro no hahita izany sy hanome voninahitra azy ary hahatoky an'i Yaveh. 4 Sambatra izay olona manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsy manome voninahitra ny fireharehan'ireo mivily Aminy ho amin'ireo lainga. 5 Maro, ry Yaveh Andriamanitro, ireo asa mahagaga vitanao tamiko, ary tsy tambo isaina ireo eritreritrao momba anay; raha manambara sy miresaka ireo aho, dia ho maro tsy tambo isaina ireo. 6 Tsy tia sorona sy fanatitra Ianao, fa nanokatra ireo sofiko; tsy nitaky fanatitra dorana na fanatitra nohon'ny ota Ianao. 7 Dia hoy aho hoe: "Indro, tonga aho; voasoratra ao amin'ny horonam-boky ny momba ahy. 8 Sitrako ny hanao ny sitraponao, ry Andriamanitro; ao am-poko ireo lalànao." 9 Efa nitory ireo vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tao amin'ny fiangonana lehibe aho; ry Yaveh, fantatrao fa tsy nangina tamin'ny hanaovana izany ny molotro. 10 Tsy nafeniko tao am-poko ny fahamarinanao; efa nambarako ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsy nafeniko tamin'ny fiangonana lehibe ny fanekem-pahatokianao na ny fahamendreham-pitokianao. 11 Aza manakana ny famindram-ponao tsy ho amiko, ry Yaveh; aoka hiaro ahy mandrakariva ny fanekem-pahatokianao sy ny fahamendrem-pitokianao. 12 Manodidina ahy ny korontana izay tsy tambo hisaina; nahatratra ahy ireo heloko ka tsy afaka mahita na inona na inona intsony aho; betsaka noho ireo volo eo an-dohako ireo, ary reraka ny foko. 13 Mifalia, ry Yaveh, amin'ny fanavotana ahy; faingàna hanampy ahy, ry Yaveh. 14 Aoka ho menatra sy ho diso fanantenana ireo izay manenjika ny aiko mba hanalana izany. Aoka entina hiverina sy tsy homem-boninahitra izy ireo, dia ireo izay faly amin'ny fandratrana ahy. 15 Aoka ho tohina nohon'ny fahamenarany izy ireo, dia ireo izay miteny amiko hoe: "Hahaha, hahaha!" 16 Fa aoka hiravoravo sy hifaly ao Aminao ireo rehetra mitady Anao; aoka ny rehetra izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Ho deraina anie Yaveh." 17 Ory sy mahantra aho; nefa mihevitra ny momba ahy ny Tompo. Ianao no mpamonjiko ary tonga hanavotra ahy Ianao; faingàna, ry Andriamanitro.