1 Salamo nataon'i Davida; rehefa mody adala teo anoloan'i Abimeleka izy, izay nandroaka azy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoana rehetra aho, ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. 2 Hidera an'i Yaveh aho! Aoka ny ory handre ka hifaly. 3 Miaraha midera an'i Yaveh amiko. Aoka hiaraka hanandratra ny anarany isika. 4 Nitady an'i Yaveh aho dia namaly ahy Izy, ary nanome fandresena ahy tamin'ny tahotro rehetra Izy. 5 Ireo izay mijery Azy dia mamirapiratra, ary tsy misy henatra ny endrik'izy ireo. 6 Ity olona ory ity dia nitomany ary dia nandre azy i Yaveh ka nanavotra azy tamin'ny fahoriany rehetra. 7 Ny anjelin'i Yaveh mitoby eo amin'ireo izay matahotra Azy ary mamonjy azy ireo. 8 Andramo ary zahao fa tsara i Yaveh. Sambatra ny olona izay mialoka Aminy. 9 Matahora an'i Yaveh, ianareo olony masina. Tsy hanan-java-mahory ireo izay matahotra Azy. 10 Indraindray dia tsy ampy sakafo ny liona tanora ka mijaly amin'ny hanoana, fa ireo izay mitady an'i Yaveh kosa dia tsy ho ory zava-tsoa. 11 Avia, anaka, mihainoa ahy. Hampianatra anareo ny fahatahorana an'Yaveh aho. 12 Olona iza no maniry fiainana ka tia andro maro, ka hahita ny soa izy? 13 Koa ambeno amin'ny ratsy ny lelanao ary ambeno ny amin'ny filazana lainga ny molotrao. 14 Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara. Mitadiava fiadanana ka araho izany. 15 Ny mason'i Yaveh dia eo amin'ny marina ary ny sofiny mihaino ny tomanin'izy ireo. 16 Ny tavan'i Yaveh dia manohitra ireo izay manao ratsy, mba hamongorana ny fahatsiarovana azy ireo amin'ny tany. 17 Mitaraina ny marina ary mandre i Yaveh ka mamonjy azy ireo amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'ireo izay torotoro fo Yaveh, ary mamonjy ireo izay torotoro fanahy Izy. 19 Maro ireo olan'ny marina, nefa manafaka azy ireo amin'izany rehetra izany Yaveh. 20 Mihazona ny taolany rehetra Izy, tsy hisy ho tapaka na dia ny iray amin'ireo aza. 21 Hamono ny ratsy fanahy ny loza. Ho voaheloka ireo izay mankahala ny marina. 22 Mamonjy ny ain'ireo mpanompony Yaveh. Tsy hisy ho voaheloka ireo izay mialoka aminy.