Salamo faha 35

1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh, mamalia ireo izay miasa hanohitra ahy; miadia amin'ireo izay miady amiko. 2 Raiso ny ampinga kely sy ampinga lehibenao; mitsangàna ka ampio aho. 3 Ampiasao hanohitra ireo izay mihaza ahy ny lefona sy ny famaky fiadianao; lazao amin'ny fanahiko hoe: "Izaho no famonjena anao." 4 Aoka ho menatra sy ho afabaraka ireo izay mitady ny aiko. Aoka hihemotra sy ho very evitra ireo izay mitetika hanisy ratsy ahy. 5 Aoka ho tahakan'ny akofa eo antin'ny rivotra izy ireo, raha mitondra azy ireo ny anjelin'i Yaveh. 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalan'izy ireo, rehefa manenjika azy ireo ny anjelin'i Yaveh. 7 Mametraka harato ho ahy tsy amin'ny antony izy ireo, miady lavaka ho an'ny aiko tsy amin'ny antony izy ireo. 8 Aoka hamely tampoka azy ireo ny fandringanana. Aoka ny harato izay napetrany mba hahazo azy ireo ihany. Aoka izy ireo hianjera ao amin'izany, dia ao amin'ny faharavany. 9 Nefa hifaly amin'i Yaveh aho, ary hiravo amin'ny famonjeny. 10 Ny taolako rehetra hanao hoe: "Ry Yaveh, iza no tahaka Anao, izay mamonjy ny ory amin'ireo izay matanjaka tokoa ho azy ireo sy ny malahelo ary ny mahantra amin'ireo izay mitady handroba azy ireo?" 11 Mitsangana ny vavolombelona tsy marina; miampanga lainga ahy izy ireo. 12 Mamaly ratsy ahy amin'ny soa ataoko izy ireo. Malahelo aho. 13 Nefa, taminy narary izy ireo, dia niankanjo ankanjo fisaonana aho; nifady hanina ho azy ireo tamin'ny fanondrehana ny lohako teo amin'ny tratrako aho. 14 Ny alaheloko azy ireo dia tahaka ny alaheloko ny rahalahiko, nitanondrika tahaka ny misaona reny aho. 15 Nefa raha tafitohina aho, dia nifaly izy ireo ka niara-niangona; niara-niangona hanohitra ahy izy ireo, ary nanaitra ahy izy ireo. Tsy nitsahatra namely ahy izy ireo. 16 Tsy misy fifanajana intsony no nanesoany ahy; nihidy vazana tamiko izy ireo. 17 Tompo o, mandra-pahoviana no hitazananao ahy? Vonjeo amin'ny fandringanan'izy ireo ny fanahiko, ary ny aiko amin'ny liona. 18 Ka hisaotra Anao eo amin'ny fiangonan-dehibe aho; hidera anao eo amin'ny olona maro aho. 19 Aoka tsy hifaly amiko ireo fahavaloko mamitaka; aoka izy ireo tsy hahatanteraka ireo teti-dratsiny. 20 Fa tsy miresaka fiadanana izy ireo, nefa mitetika hilaza fitaka hanohitra ireo izay monina am-piadanana ao amin'ny taninay. 21 Misoka-bava hivazava ahy izy ireo; hoy izy ireo: " Aha, Aha, ny masonay no efa nahita izany." 22 Efa nahita izany Ianao, ry Yaveh, koa aza mangina; ry Tompo, aza manalavitra ahy. 23 Misandrata ary mifohaza hiaro ahy; Ry Andriamanitro sy Tompoko, tohano ny adiko. 24 Arovy aho, Yaveh Andriamanitro, noho ny fahamarinanao; aoka tsy hifaly amiko izy ireo. 25 Aoka izy ireo tsy hanao ao anakam-po hoe: "Aha, azonay izay nirianay." Aoka izy ireo tsy hanao hoe: "Efa nolevoninay izy." 26 Aoka ho menatra sy ho very hevitra ireo izay te hanisy ratsy ahy. Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo izay maneso ahy. 27 Aoka hihiaka am-pifafaliana sy ho ravo ireo izay nirary ny fahamarinako; aoka izy ireo hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh, Izy ilay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony." 28 Dia hilaza ny fahamarinanao sy hidera Anao amin'ny andro rehetra aho.