Salamo faha 33

1 Mifalia amin'i Yaveh, ianareo ry marina, ny fiderana dia mety ho an'ny mahitsy. 2 Manomeza fisaorana an'i Yaveh amin'ny harpa; mihirà fiderana ho Azy amin'ny harpa tory folo. 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara ary mihirà amin'ny fifaliana. 4 Fa mahitsy ny tenin'i Yaveh, ary ny zava-drehetra ataony dia ara-dariny. 5 Tia rariny sy fahamarinana Izy. Heniky ny fanekena mahatokin'Yaveh ny tany. 6 Tamin'ny tenin'i Yaveh no namoronana ny lanitra, ary ny kintana rehetra dia natao tamin'ny fofon'ain'ny vavany. 7 Manangona ny ranon'ny ranomasina rehetra tahaka ny atontan-javatra Izy; ataony ao amin'ny fitehirizan-drano ny ranomasim-be. 8 Aoka hatahotra an'i Yaveh ny tany manontolo; aoka ho talanjona Aminy ny mponin'ny tany rehetra. 9 Fa niteny Izy, dia tanteraka izany; nandidy Izy , dia nisy teo amin'ny toerany izany. 10 Mandrava ireo fifanarahan'ireo firenena i Yaveh, manapaka eo amin'ny fikasan'ireo vahoaka Izy. Maharitra mandrakizay ny fikasan'i Yaveh. 11 Ny fikasan'ny fony dia ho an'ny taranaka rehetra. 12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny, dia ny olony izay nofidiany ho mpandovany. 13 Mijery avy eny amin'ny lanitra i Yaveh; mahita ny olona rehetra Izy. 14 Avy eny amin'ny toerana izay hitoerany no hitazanany izay rehetra miaina ambonin'ny tany. 15 Izy ilay namolavola ny fon'izy ireo rehetra no mandinika ireo nataon'izy ireo rehetra. 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny tafika maro, ary ny mpiady tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. 17 Ny soavaly dia fiarovana mamitaka ho an'ny fandresena; Na dia eo aza ny tanjany lehibe, dia tsy efaka mamonjy izy. 18 Indro, ny mason'i Yaveh dia eo amin'ireo izay matahotra Azy, amin'ireo izay manantena ny famindrampony mahatoky 19 mba hanafaka ny ain'izy ireo amin'ny fahafatesana, ary mba hamelona azy ireo amin'ny fotoanan'ny mosary. 20 Miandry an'i Yaveh isika, izy no famonjena sy fialofantsika. 21 Mifaly ao Aminy ny fontsika, satria mahatoky ny anarany masina isika. 22 Aoka ny famindramponao mahatoky, ry Yaveh, homba anay araka ny fametrahanay ny fanantenanay Aminao .