1 Salamo nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela heloka, sy ireo izay voasarona ny fahotany. 2 Sambatra ny olona izay tsy nisain'i Yaveh heloka sy ireo izay tsy misy fitaka ny fanahiny. 3 Rehefa nangina aho, dia nihaosa ny taolako, raha nitaraina nadritra ny andro rehetra aho. 4 Navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao. Nalazo tahaka ny amin'ny lohataona maina ny tanjako. Fiatoana sy fiderana 5 Dia nampahafantariko Anao ny fahotako, ary tsy nafeniko intsony ny heloko. Hoy aho: "Hanambara ireo hadisoako amin'i Yaveh aho," dia navelanao ny heloky ny fahotako. Fiatoana sy fiderana. 6 Noho izany, izay rehetra arakan'Andriamanitra dia tokony hidera Anao amin'ny fotoanan'ny fahoriam-be. Ary rehefa manonja mafy ny rano, dia tsy hahazo ireo olona ireo izany. 7 Ianao no toerana fiafenako; hiambina ahy amin'ny fahoriana Ianao. Hodidininao amin'ireo hiram-pandresena aho. Fiatoana sy fiderana 8 Hanoro lalana anao sy hampianatra anao amin'izay lalana tokony halehanao Aho. Hanoro lalana anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra, izay tsy manana fahazavan-tsaina; fa amin'ny lamboridy sy kapoka ihany no hifehezana azy ireny mba handehanany amin'izay tianao halehan'izy ireny. 10 Manana olana maro ny ratsy fanahy, fa ny fanekena mahatokin'i Yaveh kosa no hanodidina izay olona mahatoky Azy. 11 Mifalia amin'i Yaveh, ary miravoa, ianareo ry marina; manaova feo fifaliana, ianareo rehetra izay mahitsy am-po.