Salamo faha 31

1 Aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avela ho afa-baraka aho. Avoty amin'ny fahamarinanao aho. 2 Mihainoa ahy; faingàna hanavotra ahy; meteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mafy hamonjy ahy. 3 Fa vatolampiko sy fiarovana mafy ho ahy Ianao; koa nohon'ny amin'ny anaranao, tariho sy tantano aho. 4 Sintony hiala amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ho ahy aho, fa Ianao no fialofako. 5 Eo an-tananao no anankinako ny fanahiko; hanavotra ahy Ianao, ry Yaveh, ry Andriamanitry ny fahamendreham-pitokisana. 6 Halako ireo izay manompo sampy zava-poana, fa izaho hatoky an'i Yaveh. 7 Hifaly sy hiravoravo amin'ny fanekenao mahatoky aho, fa Ianao nahita ny fahoriako; fantatrao ny fahorian'ny fanahiko. 8 Tsy nomenao ho eo an-tanan'ireo fahavaloko aho. Nametraka ny tongotro ho eo amin'ny tany malalaka Ianao. 9 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa ao anatin'ny fahoriana aho; mihareraky ny alahelo ny masoko miaraka amin'ny fanahiko sy ny vatako. 10 Fa ny aiko dia reraky ny alahelo ary ny taonako nohon'ny fisentoana. Lefy ny heriko nohon'ny fahotako, ary ireo taolako dia mihalany. 11 Noho ireo fahavaloko rehetra, ny olona manao tsinontsinona ahy; ireo mpiray monina amiko rikoriko amin'ny manjo ahy, ary ireo izay mahafantatra ahy dia mivarahontsana. Ireo izay mahita ahy eny an-dalana mitsoaka ahy. 12 Adino toy ny olona maty izay tsy misy mpieritreritra aho. Toy ny vilany vaky aho. 13 Fa reko ny bitsibitsiky ny maro, ireo vaovao mampahatahotra avy eny rehetra eny satria izy ireo miray tetika hanohitra ahy. Mitetika ny haka ny aiko izy ireo. 14 Fa matoky Anao aho, ry Yaveh; hoy aho hoe: "Andriamanitro Ianao." 15 Ny anjarako dia eo an-tananao. Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko sy ireo izay manenjika ahy aho. 16 Hampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; avoty amin'ny fanekenao mahatoky aho . 17 Aza avela ho menatra aho, ry Yaveh; fa izaho miantso Anao! Ho menatra anie izay ratsy fanahy! Hangina any amin'ny fiainan-tsy hita anie izy ireo. 18 Aoka ireo molotra mandainga hangina izay miresaka hanohitra ny fahamarinana amim-pihantsiana miaraka amin'ny fiavonavonana sy ny fanamavoana. 19 Endrey ny fahatsaranao izay notehirizinao ho an'izay nanaja anao, izay tanterahinao amin'izay mialoka aminao manoloana ireo zanak'olombelona rehetra! 20 Eo amin'ny fialofan'ny fanatrehanao, no hanafenanao azy ireo amin'ny teti-dratsin'ireo olona. Manafina azy ireo amin'ny fialofana amin'ny herisetran'ny lela Ianao . 21 Hoderaina anie Yaveh, fa naneho ny fanekeny mahatoky mahagaga Izy raha tao anatin'ny tanàna voafahirano aho. 22 Na dia nilaza tamin'ny fahatairako aza aho hoe: "Nesorina tsy ho eo imasonao aho," eny mbola nandre ny fitarainako famonjena Ianao raha niantso Anao aho. 23 Tiava an'i Yaveh, ianareo ry mpanaradia mahatoky. Yaveh miharo ny mahatoky, fa mamaly tanteraka ny mpiavonavona. 24 Mahereza sy matanjaha, ianareo rehetra izay matoky an'i Yaveh amin'ny famonjena.