Salamo faha 30

1 Hanandratra Anao aho, ry Yaveh, fa nanangana ahy Ianao ary tsy namela ireo fahavaloko hiravoravo eo amiko. 2 Ry Yaveh Andriamanitro, niantso ny famonjenao aho, ary nanasitrana ahy Ianao. 3 Ry Yaveh, nitondra ny fanahiko niakatra avy tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianao; ary nitahiry ahy ho velona tsy hidina any am-pasana. 4 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry vahoakany mahatoky! Manomeza fisaorana raha mahatsiaro ny fahamasinany ianareo. 5 Fa ny fahatezerany dia vetivety monja; fa ny fankasitrahany dia mandritra ny androm-piainana. Tonga ny fitomaniana amin'ny alina, fa ny fifaliana tonga ny maraina. 6 Am-patokiana no ilazako hoe: "Tsy mba hangozohozo mandrakizay aho." 7 Ry Yaveh, nohon'ny fankasitrahanao dia nanao ahy ho toy ny tendrombohitra matanjaka Ianao; fa rehefa nanafina ny tavanao Ianao, dia ory aho. 8 Niantso Anao aho, ry Yaveh, ary nitady sitraka avy amin'ny Tompoko! 9 Inona no tombony amin'ny fahafatesako, raha handeha hidina any am-pasana aho? Hidera Anao ve ny vovoka? Hanambara ny fahamendreham-pitokisanao ve izany? 10 Mihainoa, ry Yaveh, ary mamindrà fo amiko! Ry Yaveh, meteza ho mpanampy ahy. 11 Namadika ny fisaonako ho fandihizana Ianao; nanala ny akanjo fisaonako Ianao ary nampitafy ahy tamin'ny fifaliana. 12 Koa ankehitriny ny voninahitro dia hihira fiderana ho Anao ary tsy hangina; ry Yaveh Andriamanitro, hanome fisaorana Anao mandrakizay aho!