Salamo faha 29

1 Salamo nataon'i Davida. Manomeza fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry zanak'Andriamanitra! Manomeza fiderana ho an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny. 2 Omeo an'i Yaveh ny voninahitra izay mendrika ny anarany. Miankohofa amin'i Yaveh eo amin'ny famirapiratan'ny fahamasinany. 3 Ny feon'i Yaveh dia re eny ambonin'ny rano; ilay Andriamanitry ny voninahitrin'ny kotroka, ary Yaveh mikotroka eo amin'ireo rano maro. 4 Ny feon'i Yaveh dia mahery; ny feon'i Yaveh dia be voninahitra. 5 Ny feon'i Yaveh dia mamaky ireo Sedera; ary torotoroin'i Yaveh ireo sedera any Libanona. 6 Mampitsambikimbikina an'i Libanona tahaka ny zanak'omby ary Siriona toy ny vatotr'omby Izy. 7 Ny feon'i Yaveh mamoaka lelafo. 8 Ny feon'i Yaveh dia mampihozongozona ny tany efitra; Yaveh mampihozongozona ny efitr'i Kadesy. 9 Ny feon'i Yaveh dia mahatonga ny hazo terebinta hihetsika ary mamofy ny hoditr'ireo ala. Ny olona rehetra any an-tempoliny miteny hoe: "Voninahitra!" 10 Yaveh mipetraka toy ny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh mipetraka toy ny mpanjaka mandrakizay. 11 Yaveh manome hery ny olony; Yaveh mitahy ny olony amim-piadanana.