1 Salamo nataon'i Davida. Hihiaka mafy ho aminao aho, ry Yaveh; vatolampiko, aza atao tsinontsinona aho. Raha tsy mamaly ahy ianao, dia hiaraka amin'ireo izay midina any am-pasana aho. 2 Henoy ny feon'ny fitarainako raha mitady fanampiana avy aminao aho, raha manandratra ny tanako manatrika ny fitoeranao masina indrindra aho! 3 Aza misontona ahy hiala miaraka amin'ny ratsy fanahy, izay manao heloka, izay manonona fiadanana amin'ny naman'izy ireo nefa manana faharatsiana ao am-pon'izy ireo. 4 Omeo azy ireo ny sahaza ny asan'izy ireo ary valio izay takian'ny faharatsiam-panahiny, valio izy ireo ny amin'ny asan'ny tanan'izy ireo valio izay sahaza azy izy ireo. 5 Satria tsy takany ireo asan'i Yaveh na ny ny asan'ny tanany, hanimba azy ireo izy ary tsy hanangana azy ireo intsony. 6 Deraina anie Yaveh satria efa naheno ny feon'ny fitarainako Izy! 7 Yaveh no heriko sy ampingako; ny foko matoky Azy, dia ampiana aho.Noho izany dia ravoravo fatratra ny foko, ary izaho hidera Azy amin'ny fihirana. 8 Yaveh no herin'ny olony, ary Izy no fialofana famonjen'ny ilay voahosony iray. 9 Vonjeo ireo vahoakanao ary tahio ny lovanao. Meteza ho mpiandry ondriny ary ento mandrakizay izy ireo .