1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh no fahazavako sy famonjeko; iza no hatahorako? Yaveh no fialofan'ny aiko; iza no tokony hatahorako? 2 Raha manatona handrotika ny nofoko ireo mpanao ratsy, ireo mpandrafy ahy sy ireo fahavaloko dia tafitohina ka lavo. 3 Na dia misy tafika mitoby hanohitra ahy aza, dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady hanohitra ahy, na amin'izany aza dia mbola hijanona mahatoky aho. 4 Zavatra iray no nangatahiko tamin'i Yaveh, ary hitady izany aho: mba hahafahako mitoetra ao an-tranon'i Yaveh mandritra ny andro rehetra iainako, mba hahita ny fahatsaran'i Yaveh sy ny hisaintsaina ao an-tempoliny. 5 Fa amin'ny andron'ny fahoriako dia hanafina ahy eo amin'ny fialofany Izy; eo amin'ny rakotry ny lainy no hanafenany ahy. Hampiakatra ahy avo ho eny amin'ny vatolampy Izy! 6 Ary ny lohako dia hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko manodidina ahy rehetra, hanolotra ireo fanati-pisorom-pifaliana ao an-dainy aho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh aho! 7 Mihainoa ny feoko, ry Yaveh, rehefa miantso mafy aho! MamindrĂ fo amiko, ary valio aho! 8 Miteny momba anao ny foko hoe: "Tadiavo ny tavany!" Mitady ny tavanao aho, ry Yaveh! 9 Aza manafina ny tavanao amiko; aza mamily ny mpanomponao am-pahatezerana! Ianao no efa nanampy ahy; aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitry ny famonjeko! 10 Fa na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh no handray ahy. 11 Ampianaro ahy ny lalanao, ry Yaveh! Tariho amin'ny lalana marina aho noho ireo fahavaloko. 12 Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko, fa ireo vavolombelona sandoka mitsangana hanohitra ahy, ary miaina herisetra izy ireo! 13 Inona no nanjo ahy raha tsy nino aho fa izaho dia hahita ny fahatsaran'i Yaveh eo amin'ny tany honenana? 14 Miandrasa an'i Yaveh; ary matanjaha, aoka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh!