1 Tsarao aho, ry Yaveh, fa nandeha tamim-pahitsiana aho; nahatoky an'i Yaveh tsy tamim-pisalasalana aho. 2 Diniho aho, ry Yaveh, ary izahao toetra aho; izahao toetra ny fahadiovan'ny ato anatiko sy ny foko! 3 Fa ny fanekenao mahatoky no manoloana ny masoko, ary mandeha eo amin'ny fahatokianao aho. 4 Tsy mikambana amin'ireo olona mpamitaka aho, na miharoharo amin'ireo olona tsy marina. 5 Halako ny fiangonan'ireo mpanao ratsy, ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho. 6 Manasa ny tanako amin'ny tsy fananan-tsiny aho, ary mandeha manodidina ny alitaranao, ry Yaveh, 7 mba hihira fiderana mafy sy hilaza ny asanao mahagaga rehetra. 8 Ry Yaveh, tiako ny trano izay hitoeranao, ny toerana izay itoeran'ny voninahitrao! 9 Aza mandripaka ahy miaraka amin'ireo mpanota, na ny aiko miaraka amin'ireo olona lian-drà, 10 eo an-tanan'ireo izay misy teti-dratsy, ary eo amin'izay feno kolikoly ny tanany ankavanana. 11 Fa izaho kosa, handeha amin'ny fahitsiana aho; avoty aho ary mamindrà fo amiko. 12 Mitsangana eo amin'ny tany marina ireo tongotro; eo amin'ireo fiangonana no hiderako an'i Yaveh!