Salamo faha 25

Salamo nataon'i Davida. 1 Ho Anao, ry Yaveh, no anandratako ny aiko! 2 Andriamanitro o, matoky Anao aho. Aza avela ho menatra aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko ireo fahavaloko. 3 Tsy hisy ho afa-baraka anie ny olona izay manantena Anao , ireo ho menatra ireo izay mamitaka tsy amin'ny antony! 4 Ampahafantaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh; ampianaro ahy ireo lalanao. 5 Tariho ho ao amin'ny fahamarinanao aho ary ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; manantena Anao mandritra ny andro aho. 6 Tsarovy, ry Yaveh, ireo asa fangorahanao sy fanekenao mahatoky; fa efa nisy mandrakariva ireo. 7 Aza mihevitra ireo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; Tsarovy amin'ny fanekena mahatoky noho ny fahatsaranao aho, ry Yaveh! 8 Tsara sy mahitsy i Yaveh; ka mampianatra ireo mpanota ny lalana Izy. 9 Mitarika ny manetry tena amin'izay marina Izy ary mampianatra azy ireo ny lalany. 10 Ireo lalan'i Yaveh rehetra dia fitiavana maharitra sy fahatokiana ho an'ireo izay mitandrina ny fanekeny sy ireo didiny mafy. 11 Fa noho ny anaranao, ry Yaveh, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. 12 Iza no olona matahotra an'i Yaveh? Ny Tompo no hanoro azy ny lalana izay tokony hosafidiny. 13 Ny fiainany dia ho ao amin'ny fahatsarana; ary ireo taranany handova ny tany. 14 Ny finamanana amin' i Yaveh dia ho an'ireo izay manome voninahitra Azy, ary mampafantatra ny fanekeny amin'zy ireo Izy. 15 Amin'i Yaveh mandrakariva ny masoko, ka hanafaka ny tongotro amin'ny harato Izy. 16 Mitodiha amiko ary mamindra fo amiko; fa irery sy ory aho. 17 Mihitatra ireo fahorian'ny foko; esory ao amin'ny fahoriako aho! 18 Jereo ny fahoriako sy ireo fisasarako; mamelà ny fahotako rehetra. 19 Jereo ireo fahavaloko, fa maro izy ireo; mankahala ahy amim-pankahalana lozabe izy ireo. 20 Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho menatra aho, fa mialoka Aminao! 21 Hiaro ahy anie ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana, fa manantena Anao aho. 22 Avoty amin'ny fahoriany rehetra ny Israely, Andriamanitra o!