Salamo nataon'i Davida. 1 Yaveh no mpiandry ahy; tsy hanan-java-mahory aho. 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitarika ahy amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamerina ny aiko Izy; mitarika ahy any amin'ny lala-marina noho ny anarany Izy. 4 Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra loza aho fa momba ahy Ianao; ny tsora-kazonao sy ny tehinao no mahafa-tahotra ahy. 5 Manomana latabatra eo anoloako eo anatrehan'ireo fahavaloko Ianao; efa nanosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno mihoatra. 6 Fahatsarana sy fanekena mahatoky tokoa no hanaraka ahy amin'ny androm-piainako rehetra; ary hitoetra ao an-tranon'Yaveh mandritra ny fotoana ela aho!