Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny "Gadon'ny Diera." Salamo nataon'i Davida. 1 Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no nandao ahy Ianao? Nahoana no lavitra loatra amin'ny famonjena ahy Ianao ary lavitra amin'ireo tenin'ny fangirifiriako? 2 Andriamanitro o, nitaraina taminao aho ny atoandro, nefa tsy novalianao, ary ny alina dia tsy nangina aho! 3 Kanefa masina Ianao; mipetraka tahaka ny mpanjaka amin'ny fideran'ny Israely Ianao. 4 Natoky Anao ireo razambenay; natoky Anao izy ireo, ka novonjenao. 5 Nitaraina taminao izy ireo ka novonjena. Natoky Anao izy ireo ka tsy diso fanantenana. 6 Nefa kankana aho fa tsy mba olona, fahafaham-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona. 7 Ireo rehetra izay mahita ahy dia miteny ratsy ahy; esoin'izy ireo aho; ary manifikifi-doha amiko izy ireo. 8 Hoy izy ireo: "Matoky an'i Yaveh izy; aoka hanavotra azy Yaveh. Aoka Izy hanavotra azy, fa ankasitrahiny izy." 9 Fa Ianao no nitondra ahy avy tao am-bohoka; nataonao matoky Anao aho fony teo an-tratran-dreniko. 10 Natsipy taminao hatrao am-bohoka aho; Ianao no Andriamanitro hatramin'izaho tao an-kibon-dreniko! 11 Aza manalavitra ahy, fa akaiky ny fahoriana; tsy misy olona hanampy ahy. 12 Manodidina ahy ny ombilahy maro, manodidina ahy ny ombilahy masiakan'ny Basana. 13 Hampitanatana ny vavany amiko tahaka ny liona mierona mandrapaka ny hazany ireo. 14 Nararaka tahaka ny rano aho, ary nipitsoka ny taolako rehetra. Tahaka ny savoka ny foko; miempo ao anatiko izany. 15 Maina tahaka ny vilany tany ny heriko; miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako. Nampandry ahy teo amin'ny vovoky ny fahafatesana Ianao. 16 Fa nanodidina ahy ny alika; efa nihodidina ahy ny vondron'ny mpanao ratsy; noloahan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro. 17 Voaisako ny taolako rehetra. Mijery sy nandinika ahy izy ireo. 18 Nozarain'izy ireo teo aminy ireo fitafiako; nilokan'izy ireo ny akanjoko. 19 Aza manalavitra ahy, ry Yaveh; faingàna re hanavotra ahy, ry heriko! 20 Avoty amin'ny sabatra ny fanahiko, ny hany fiainako amin'ny andian'amboadia. 21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; avoty amin'ny tandroky ny ombidia aho. 22 Hanambara ny anaranao amin'ireo rahalahiko aho; eo afovoan'ny fiangonana no hiderako Anao. 23 Ianareo izay matahotra an'i Yaveh, miderà Azy! Ianareo taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy! Mijoroa am-pitalanjonana Aminy, ianareo taranak'i Israely rehetra! 24 Fa tsy nanao tsinontsinona na nankahala ny fijalian'ny olona ory Izy; tsy nanafina ny tavany taminy Yaveh; raha nitaraina taminy ilay olona ory, dia nandre Izy. 25 Ny fideraka dia ho noho Ianao ao am-piangonana lehibe; hanatanteraka ireo voadiko anoloan'ireo izay matahotra Azy aho. 26 Ny ory dia hihinana ka ho afa-po; ireo izay mitady an'i Yaveh hidera Azy. 27 Ho velona mandrakizay anie ny fonareo. Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh ireo vahoaka rehetra amnin'ny tany; hiankohoka eo anatrehanao ireo fianakaviam-pirenena rehetra. 28 Fa an'Yaveh ny fanjakana; Izy no mpanapaka ireo firenena. 29 Ny olona mpanan-karena rehetra dia hiravoravo sy hidera; hiankohoka eo anatrehanao ireo rehetra izay hody vovoka, ireo izay tsy afaka miaro ny ain'izy ireo. 30 Ny taranaka ho avy dia hanompo Azy, hilaza amin'ny taranaka manaraka ny amin'ny Tompo izy ireo. 31 Ho tonga izy ireo ary hilaza ny fahamarinany; hilaza amin'ny olona mbola tsy teraka izay efa nataony izy ireo!