Salamo faha 21

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka, ry Yaveh! Akory ny halehiben'ny hifaliany amin'ny famonjena nomenao! 2 Nomenao azy ny fanirian'ny fony ary tsy nolavinao ny fangatahan'ny molony. Sela 3 Fa mitondra fitahiana be ho azy Ianao; nametraka satro-boninahitra volamena madio indrindra teo an-dohany Ianao. 4 Nangataka aina taminao izy; dia nomenao azy izany; nomenao andro maro mandrakizay doria izy. 5 Lehibe nohon'ny fandresenao ny voninahiny; efa nanome famirapiratana sy voninahitra ho azy Ianao. 6 Fa manome antoka fitahiana maharitra ho azy Ianao; mampiravoravo azy amin'ny fifalian'ny fanatrehanao Ianao. 7 Fa matoky an'i Yaveh ny mpanjaka; amin'ny alalan'ny fanekena mahatokin'ny Avo Indrindra no tsy hanalana azy. 8 Hisambotra ireo fahavalonao rehetra ny tananao; hisambotra ireo izay mankahala anao ny tananao havanana. 9 Amin'ny fotoan'ny fahatezeranao, dia handoro azy ireo ao amin'ny lafaoro mirehitra Ianao. 10 Handevona azy ireo ao amin'ny fahatezerany i Yaveh, ary handevona azy ireo ny afo. Hamotika ny zanak'izy ireo amin'ny tany sy ny taranak'izy ireo eo anivon'ny olombelona Ianao. 11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy ireo; namolavola teti-dratsy izay tsy hahombiazany izy ireo! 12 Fa hampiamboho azy ireo ianao; hamoaka ny tsipìkanao eo anoloan'izy ireo ianao. 13 Misandrata, ry Yaveh, amin'ny herinao; hihira sy hidera ny herinao izahay.