Salamo faha 20

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hanampy anao amin'ny androm-pahorianao anie Yaveh; ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba anie hiaro anao 2 ary handefa fanampiana avy amin'ny toerana masina mba hanohanana anao avy ao Ziona. 3 Ho tsaroany anie ireo fanatitrao rehetra ary ho ekeny anie ny soronao dorana. Sela 4 Hanome anao izay irian'ny fonao anie Izy ary hanatanteraka ireo fikasanao rehetra. 5 Dia hifaly amin'ny fandresenao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray, no hanangananay faneva. Hanome izay fangatahanao rehetra anie Yaveh. 6 Fantatro ankehitriny fa hanavotra ny olom-boahosony Yaveh; hamaly azy avy an-daniny masina amin'ny herin'ny tanany havanana izay afaka manavotra azy Izy. 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy ary ny hafa amin'ny soavaly, fa izahay dia niantso an'i Yaveh Andriamanitray. 8 Ho entina midina izy ireo ka ho lavo, fa isika dia hiarina ary hijoro mahitsy! 9 Ry Yaveh, vonjeo ny mpanjaka; ampio izahay raha miantso.