Salamo faha 19

3 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka mampahafantatra ny asan'ny tanany! 2 Isan'andro isan'andro dia mipololotra ny teny; isan-kalina isan-kalina dia manambara fahalalana izany. Tsy misy lahateny na teny voalaza; tsy re ny feon'izy ireo. 4 Efa nivoaka nanerana ny tany rehetra ny tenin'izy ireo, ary any am-paran'ny tany ny lahatenin'izy ireo. Efa nanangana lay ho an'ny masoandro teo amin'ireo Izy. 5 Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mivoaka avy ao amin'ny efitranony ary tahaka ny lehilahy mahery izay mifaly rehefa manao ny fihazakazahany. 6 Miposaka avy any amin'ny faravodilanitra iray ny masoandro ary mitety ny habakabaka ho any amin'ny iray hafa; tsy misy zavatra afaka mandositra ny hafanany. 7 Tonga lafatra ny lalàn'i Yaveh, manarina ny fanahy; azo antoka ny teni-vavolombelon'i Yaveh, mahahendry ny tsotra. 8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh; mampiravoravo ny fo; madio ny didin'i Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso. 9 Madio ny tahotra an'i Yaveh, maharitra mandrakizay; marina sady mahitsy avokoa ireo didy marin'i Yaveh! 10 Sarobidy mihoatra noho ny volamena izany, eny mihoatra ny volamena tena tsara aza; mamy noho ny tantely sy ny tantely mitete avy amin'ny tohon-tantely izany. 11 Eny, amin'ny alalan'izany no hampitandremana ny mpanomponao; fa hisy valisoa lehibe amin'ny fankatoavana izany. 12 Iza no afaka mamantatra ireo fahadisoany rehetra? Diovy amin'ireo heloka miafina aho. 13 Tandremo ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aza avela hanapaka ahy ireo. Dia ho tonga lafatra aho, ary tsy hanan-tsiny amin'ny fandikan-dalàna maro. 14 Ho ekena eo imasonao anie ireo tenin'ny vavako sy ireo fihevitry ny foko, ry Yaveh, vatolampiko sy mpanavotro.