1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ilay mpanompon'i Yaveh, rehefa nihira ho an'i Yaveh ny tonon'ity hira ity tamin'ny andro izay namonjen'i Yaveh azy teny an-tanan'ireo fahavalony rehetra sy teny an-tanan'i Saoly izy. Nihira izy hoe: "Tiako Ianao, ry Yaveh, heriko. 2 Yaveh no harambatoko, fiarovana mafiko, izay mitondra fiarovana ho ahy; Izy no Andriamanitro; harambatoko, mialoka ao Aminy aho. Izy no ampingako, tandrokin'ny famonjeko, sy fiarovana mafy ho ahy. 3 Hiantso an'i Yaveh izay mendrika ho deraina aho, ary ho voavonjy amin'ireo fahavaloko aho. 4 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ireo onjan'ny faharatsiana no nandrendrika ahy. 5 Namatotra ahy ireo tadin'i Seoly; namandrika ahy ny fandriky ny fahafatesana. 6 Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako; niantso vonjy tamin'ny Andriamanitro aho. Henony ny feoko avy tao amin'ny tempoliny; ny antso vonjiko dia tonga teo anatrehany; tonga tao an-tsofiny izany. 7 Ary nihovitra sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitrovitra ihany koa ny fototr'ireo tendrombohitra satria tezitra Andriamanitra. 8 Niakatra ny setroka avy tao amin'ny lavakoriny, ary afo midedadeda no nivoaka ny vavany. Nirehitra tamin'izany ny vainafo. 9 Nosokafany ny lanitra ary nidina izy, ary teo ambanin'ny tongony ny haizina matevina. 10 Nitaingina kerobima Izy ary nanidina; nisosa teny amin'ny elatry ny rivotra Izy. 11 Nataony trano lay nanodidina azy ny haizina, ireo raho-mainty teny an-danitra. 12 Nilatsaka avy teny amin'ny tselatra teo anoloany ny havandra sy vainafo. 13 Nikotroka teny an-danitra Yaveh! Nihiaka ny feon'ny Avo Indrindra. (Fanamarihana: Ireo dikanteny sasany amin'izao fotoana dia manampy hoe: "havandra sy vainafo" aorian'ny nihika. Io fomba fiteny io dia mety fiverenana tsy nahy tao amin'ny andininy teo aloha) 14 Nandefa ny zana-tsipikany izy ary nampiparitaka ireo fahavalony; tselatra maro no nanaparitaka azy ireo. 15 Avy eo dia nipoitra ireo fantson-drano; ireo fanambanin'izao tontolo izao dia nipotra tamin'ny hikam-piadianao, ry Yaveh—tamin'ny fipoaky fofon'ain'ny lavakoronao. 16 Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy; nandray ahy Izy! Nisintona ahy avy tao amin'ny rano manonja Izy. 17 Nanavotra ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria mafy loatra ho ahy izy ireo. 18 Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako fa Yaveh no nanohana ahy! 19 Nanafaka ahy teny amin'ny toerana malalaka Izy; namonjy ahy Izy satria nahafinaritra Azy aho. 20 Nanome valisoa ahy Yaveh nohon'ny fahamarinako; nanarina ahy Izy satria nadio ny tanako. 21 Fa izaho efa nitandrina ireo didin'i Yaveh ary tsy nivadika ratsy fanahy tamin'ny Andriamanitro. 22 Fa efa teo anoloako ireo lalàny marina rehetra; raha ny amin'ireo didiny, dia mbola tsy nivadika tamin'ireo aho. 23 Izaho ihany koa dia tsy nanan-tsiny teo anatrehany, ary nitandrina ny tenako tamin'ny fahotana aho. 24 Noho izany dia namelona ahy indray Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tanako. 25 Izay mahatoky, dia ampisehoanao fahatokisana; ny olona izay tsy misy tsiny, dia ampisehoanao tsy fananan-tsiny. 26 Ny olona izay madio, dia ampisehoanao fahadiovana; fa Ianao dia mahira-tsaina amin'izay ratsy fanahy. 27 Fa Ianao manavotra ireo olona ory, ary manambany ireo izay mirehareha! 28 Fa Ianao mandrehitra ny jiroko; manazava ny haiziko Yaveh Andriamanitro. 29 Fa amin'ny alalanao no ahafahako mihazakazaka ambonin'ny sakana; amin'ny alalan'ny Andriamanitro no ahafahako mandingana rindrina. 30 Raha ny amin'Andriamanitra: tonga lafatra ny lalany. Ny tenin'i Yaveh dia madio! Apingan'izay rehetra mialoka ao aminy Izy. 31 Fa iza no Andriamanitra ankoatr'i Yaveh? Fa iza no harambato ankoatr'i Yaveh? 32 Andriamanitra no mametraka hery amiko toy ny fehin-kibo, izay mametraka ny olona tsy misy tsiny eo amin'ny lalany. 33 Ataony haigam-pandeha toy ny diera ny tongotro ary mametraka ahy eny amin'ireo toerana avo! 34 Manazatra ny tanako ho amin'ny ady izy ary ny sandriko hamoritra ny tsipika varahina. 35 Efa nomenao ahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohana ahy ny tananao an-kavanana, ary ny fankasitrahanao dia naha-lehibe ahy. 36 Efa nanao toerana malalaka ambaniko ho an'ny tongotro Ianao mba tsy nibolisaran'ny tongotro. 37 Nanenjika ireo fahavaloko aho ary nahatratra azy ireo; tsy niverina aho nandra-paha-rava azy ireo. 38 Nopotehiko izy ireo mba tsy afahany miharina; efa lavo tao ambanin'ny tongotro izy ireo. 39 Fa ianao nametraka hery tamiko toy ny fehin-kibo ho amin'ny ady; nataonao ambaniko ireo izay nitsangana hanohitra ahy. 40 Nampiamboho ny vozon'ireo fahavaloko ho ahy Ianao; noringaniko ireo izay nankahala ahy. 41 Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso an'i Yaveh izy ireo, saingy tsy novaliany. 42 Notorotoroko madinika toy ny vovoka anoloan'ny rivotra izy ireo; nariako toy ny fotaka any an-dalana izy ireo. 43 Nanavotra ahy tamin'ny fifamalian'ny olona Ianao. Nataonao lohan'ireo firenena aho. Manompo ahy ireo olona tsy fantatro. 44 Raha vao nandre ahy izy ireo, dia nankatoa ahy; voatery niondrika teo anatrehako ireo mpivahiny. 45 Tonga am-pihorohoroana avy ao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo ny mpivahiny. 46 Velona Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratra anie ny Andriamanitry ny famonjena. 47 Izy ilay Andriamanitra izay namaly faty ho ahy, izay nanolotra ireo firenena ho ambaniko. 48 Afaka tamin'ireo fahavaloko aho! Eny tokoa, nampiankarinao ambonin'ireo izay nijoro hanohitra ahy aho! Navotanao tamin'ireo lehilahy mahery fihetsika aho. 49 Noho izany dia hanome fisaorana ho anao, amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho! 50 Andriamanitra dia nanome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary nampiseho ny fifanekem-pitokiana tamin'ilay voahosony, tamin'i Davida sy ireo taranany rahatrizay.