1 Vavaka nataon'i Davida. Mihainoa ny fangatahako ny rariny, ry Yaveh; henoy ny antso vonjiko! Atongilano amin'ny fivavahako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka ny sofinao. 2 Aoka ho avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; aoka ny masonao hijery ny rariny! 3 Raha mizaha toetra ny foko Ianao, raha tonga amiko amin'ny alina Ianao, dia hanadio ahy Ianao ary tsy hahita fikasan-dratsy; tsy hanota ny vavako. 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia tamin'ny tenin'ny molotrao no nitandremako ny tenako tamin'ny lalan'ny mpandika lalàna. 5 Ny diako dia mafy orina teo amin'ny lalanao, ary tsy solafaka ny tongotro. 6 Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, Ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao ary mihainoa rehefa miteny aho. 7 Asehoy amin'ny fomba mahatalanjona ny tsy fivadiham-panekenao, Ianao izay mamonjy ireo izay mialoka aminao amin'ny alalan'ny tanan-kavananao amin'ny fahavalon'izy ireo! 8 Arovy tahaka ny anaka andriamasonao aho; afeno ao ambany aloky ny elatrao 9 amin'ny fanatrehan'ireo ratsy fanahy izay mamely ahy aho, dia ireo fahavaloko izay manodidina ahy. 10 Tsy manana famindram-po na amin'iza na amin'iza izy ireo; ny vavan'izy ireo dia miteny an'avona. 11 Manodidina ny lalako izy ireo. Mibanjina ny mason'izy ireo mba handavo ahy amin'ny tany. 12 Izy ireo dia tahaka ny liona te hamiravira fatratra, tahaka ny liona tanora mamitsaka amin'ireo toerana fierena. 13 Mitsangàna, ry Yaveh! Tafiho izy ireo! Akapohy amin'ny tany ny tavan'izy ireo! Avoty tsy ho azon'ny ratsy fanahy amin'ny alalan'ny sabatrao ny aiko! 14 Avoty amin'ny olona amin'ny alalan'ny tananao aho, ry Yaveh, amin'ny olon'izao tontolo izao izay amin'ity fiainana ity ihany no anjarany! Hameno harena ny kibon'ireo sarobidinao Ianao; hanana taranaka maro izy ireo ary hamela ny hareny ho an'ny taranany. 15 Fa izaho kosa, dia hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; ho afa-po, amin'ny fijerena anao aho, rehefa mifoha.