Salamo faha 16

1 Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, ry Yaveh, fa mialoka aminao. 2 Hoy aho tamin'i Yaveh hoe: "Ianao no Tompoko; tsy misy soa ananako ankoatra Anao. 3 Raha ny amin'ireo olo-masina eto an-tany, dia mendri-kaja izy ireo, ny fankasitrahako rehetra dia ho amin'izy ireo. 4 Hampitomboina ny fahorian'ireo izay mitady andriamani-kafa. Tsy mba handraraka fanati-drà amin'ireo andriamanitr'izy ireo aho na hanandratra ny anaran'izy ireo amin'ny molotro. 5 Ry Yaveh, Ianao no anjara voafidiko sy kapoakako. Ianao no mihazona ny anjarako. 6 Eo amin'ireo tany mahafinaritra no misy ny voafaritra ho ahy; ahy tokoa ny lova tsara. 7 Hisaotra an'i Yaveh, izay manoro hevitra ahy aho; eny na dia amin'ny alina aza dia mampianatra ahy ny saiko. 8 Hataoko eo anoloako mandrakariva i Yaveh, mba tsy ho voahozongozona eo an-tanan-kavanany aho! 9 Noho izany dia faly ny foko; ravoravo ny fanahiko. Hiaina am-pilaminana tokoa aho. 10 Satria tsy hamela ny fanahiko ho any amin'ny Fiainan-tsy hita Ianao. Tsy hamela ilay mahatokinao hahita ny lavaka Ianao. 11 Mampianarinao ahy ny lalan'ny fiainana; hafaliam-be ny eo anatrehanao; fahafinaretana ny mitoetra eo an-tanan-kavananao mandrakizay!"