1 Ry Yaveh, iza moa no afaka hijanona ao amin'ny tabernakelinao? Iza no afaka honina eo an-tendrombohitrao masina? 2 Dia ireo rehetra mandeha tsy misy tsiny, manao izay marina, ary miteny ny marina amin'ny fony . 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny hafa, ary tsy maniratsira ny namany aminy izy. 4 Ny olon-tsy mendrika dia ho tsinontsinoavina eo imasony, fa hanome voninahitra ireo izay matahotra an'i Yaveh izy. Miniana amin'ireo fahavoazany ary tsy hamerina ireo fampanantenany izy. 5 Tsy maka tombony izy rehefa mampisambo-bola. Tsy mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelona hanoherana ny tsy manan-tsiny izy. Izy izay manao ireo zavatra ireo dia tsy ho voahozongozona mandrakizay.