Salamo faha 14

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny adala niteny anakam-po hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Simba toetra izy ireo ary efa nanao heloka fahavetavetana; tsy misy na dia iray aza manao ny tsara. 2 Miondrika mijery ny zanak'olombelona avy eny amin'ny lanitra i Yaveh mba hizaha raha misy mahalala, sy mitady Azy. 3 Samy efa nivily avokoa izy rehetra. Samy simba toetra avokoa. Tsy misy manao ny tsara, tsia, na iray aza. 4 Tsy mahafantratra na inona na inona ve izy ireo, ireo izay manota, ireo izay mihinana ny oloko tahaka ny fihinanany mofo, kanefa tsy miantso an'Yaveh? 5 Tora-kovitry ny tahotra izy ireo, satria Andriamanitra dia momba ny fiangonana marina! 6 Maniry ny hanala baraka ny olona mahantra ianao na dia izany aza dia i Yaveh no fialofany. 7 Endrey, izany famonjena ny Israely izany dia ho avy any Ziona! Raha mitondra ny vahoakany avy amin'ny fahababoana i Yaveh, dia ho ravo i Jakoba ary ho faly ny Israely rehetra!