1 Miderà an'i Yaveh. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh; mihirà fihirana ho Azy eo amin'ny fiangonan'ireo olona mahatoky. 2 Aoka ny Israely hifaly amin'ilay nanao azy ireo; aoka ny olon'i Ziona hifaly amin'ny mpanjakan'izy ireo. 3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihy; aoka izy ireo hihira fiderana ho azy amin'ny aponga sy harpa. 4 Fa Yaveh dia mankasitra ny olony; mankalaza ny mpanetry tena amin'ny famonjena Izy. 5 Aoka ny araka an'Andriamanitra hifaly amin'ny fandresena; aoka hihira fifaliana eo amin'ny fandriany izy ireo. 6 Aoka ny fiderana an'Andriamanitra ho eo am-bavan'izy ireo ary ny sabatra roa lela eo an-tanan'izy ireo 7 mba hanatanterahana famaliana eo amin'ireo firenena sy ny asa famaizana eo amin'ireo olona. 8 Hamatotra ny mpanjakany amin'ny rojo izy ireo ary ny manan-kaja amin'ny rojovy. 9 Hampiatra ny fitsarana izay voasoratra izy ireo. Izany dia ho voninahitra ho an'ny olony mahatoky rehetra. Miderà an'i Yaveh.