1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ianareo any an-danitra; miderà Azy, ianareo any amin'ny avo. 2 Miderà azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. 3 Miderà azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mamiratra rehetra. 4 Miderà Azy, ry avo indrindra amin'ny lanitra ary ianareo rano izay eny ambanin'ny habakabaka. 5 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa Izy no nanome ny didy, ary dia nohariana ireo. 6 Nampitoetra azy ireo mandrakizay doria Izy; Nomeny lalàna ireo ka tsy hiova mihintsy. 7 Miderà Azy ety an-tany, ianareo dragona sy ranomasina lalina rehetra, 8 ny afo sy havandra, ny oram-panala sy ny zavona, ny rivotra mahery manatanteraka ny teniny. 9 Miderà Azy, ry tendrombohitra sy havoana, ry hazo mamoa sy ny sedera rehetra, 10 ny bibidia sy ny voafolaka, ny biby fiompy izay mandady sy ireo vorona 11 Miderà an'i Yaveh, ry mpanjakan'ny tany sy ny fienena rehetra, ry andriana sy izay manapaka eo amin'ny tany, 12 ry zatovolahy sy zatovovavy, ny antitra sy ny tanora. 13 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa ny anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny hihitatra amin'ny tany sy ny lanitra. 14 Efa nanandratra ny tandroky ny olony ho fiderana ho an'ny olony mahatoky Izy, dia ny Israelita, ilay olona akaiky Azy. Miderà an'i Yaveh.