Salamo faha 147

1 Midera an'i Yaveh, fa tsara ny mihira fiderana an'Andriamanitsika, mahafinaritra izany, ary mety ny fiderana. 2 Manangana an'i Jerosalema indray Yaveh, manangona miaraka ny vahoakan'ny Israely miparitaka Izy. 3 Manasitrana ny torotoro fo izy ary mamehy ny ferin'izy ireo. 4 Manisa ireo kintana izy, ary manome anarana azy rehetra. 5 Lehibe ny Andriamanitsika ary mahagaga ny heriny, ny fahazavan-tsainy tsy azo refesina. 6 Manandratra ny ory Yaveh, ary mitondra ny ratsy fanahy midina amin'ny tany. 7 Mihirà ho an'i Yaveh amin'ny fanomezam-pisaorana, mihirà fiderana amin'ny lokanga ho an'Andriamanitsika 8 Manarona ny lanitra amin'ireo rahona Izy ary manomana ranon'orana ho an'ny tany, mampaniry ny ahitra amin'ireo tendrombohitra. 9 Manome hanina an'ireo biby Izy ary an'ireo goaika tanora rehefa miantso ireny. 10 Tsy mahita sitraka eo amin'ny herin'ny soavaly izy, tsy mahazo fafinaretana amin'ny tanjaky ny tongotry ny olona Izy. 11 Yaveh mankasitraka ireo izay manaja azy, izay manantena ny fanekeny mahatoky. 12 Miderà an'i Yaveh, ry Jerosalema, miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona. 13 Fa nanamafy ny hidim- vavahadinao Izy, mitahy ireo zanakao eo aminao Izy. 14 Mitondra fanambinana ao anatin'ireo fari-taninao Izy, mahafapo anao amin'ny varimbazaha tsara Izy. 15 Mandefa ny didiny eo amin'ny tany Izy, ny didiny mihazakazaka mafy. 16 Manao ny orampanala ho toy ny volon'ondry Izy, mampiely ny fanala toy ny lavenona izy. 17 Mizara ny havandra toy ny poti-javatra Izy, iza no hahazaka ny hatsiaka halefany? 18 Mandefa ireo didiny Izy ary mandevona izany, mampitsoka ny rivotra ary mampikorina ny rano izy. 19 Hambarany amin'i Jakoba ny teniny, ny didiny sy ireo lalà-mariny amin'ny Israely. 20 Tsy nanao toy izany tamin'ny firenena hafa izy, ary ny amin'ireo didiny, dia tsy fantatr'izy ireo izany. Miderà an'i Yaveh.