1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ry fanahiko. 2 Hanome fiderana ho an'i Yaveh aho amin'ny fianako rehetra; hihira fiderana ho an'Andriamanitro aho raha mbola velona koa. 3 Aza mametraka ny fitokianao amin'ireo andriana na ny olombelona, amin'izay tsy misy famonjena. 4 Rehefa mitsahatra ny fofon'aina ny olona, dia miverina makany amin'ny tany izy; amin'izany andro izany no tapitra ny fikasany. 5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr'i Jakoba hanampy azy, izay manana fanantenana ao amin'i Yaveh Andriamaniny. 6 Nanao ny lanitra sy ny tany Yaveh, ny ranomasina, ary izany rehetra izany ao amin'ireo; mandinika fahamendreham-pitokisana mandrakizay izy. 7 Manatanteraka fahamarinana ho an'ny ampahoriana Izy ary manome hanina ny noana. Manafaka ny gadra Yaveh; 8 Manokatra ny mason'ny jamba Yaveh; Manangana izay miankohaka i Yaveh; Yaveh tia ny olona marina. 9 Yaveh miharo ny vahiny amin'ny tany; manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena izy, fa manohitra ny ratsy fanahy. 10 Hanjaka mandrakizay Yaveh, Andriamanitrao ry Ziona, amin'ny taranaka rehetra. Miderà an'i Yaveh.